- Publicité -
jeudi, juin 19, 2025
AccueilFaits-DiversMahanoro : Miparitaka ny vola sandoka 10.000ar

Mahanoro : Miparitaka ny vola sandoka 10.000ar

Isan’ireo naparitaka tao an-toerana

Efa mahita atao ny olona ankehitriny, vokatry ny fahantrana ka tsy menatra sy tsy mahatotra intsony amin’ny fomba hahazoam-bola na hampiasana hosoka sy hafetsena amin’ny famitaham-bahoaka aza. Tranga roa no niseho tao Mahanoro, ny herinandro nivalona iny. Ny voalohany dia ity tovolahy milaza ho mpamongady menaka amin’ny “bidons” 20 litatra, izay tena mihidy tsara tahaka ireny tena izy ireny. Amidiny 70.000 ariary ny iray amin’ireo “menaka” ireto izay mety tsara amin’ireo mpivarotra noho ny fahamorany, saingy ny olana eo am-pivarotana ity “menaka” ireo mpivarotra mpaninjara vao mahita fa kay rano ity novidiany. Betsaka noho izany ny fitoriana voarain’ny polisy tao Mahanoro, ka nahatonga azy ireo nisambotra ity tovolahy iray mpanao izany, izay nibaradaka avy hatrany fa andian’olona mipetraka ao Andranomadio Toamasina I no ati-doha manao azy ity, fa mpivarotra fotsiny izy, ka arakaraka ny lafo ny vola azony. Mitohy ny famotorana hoy ny polisy misahana ny raharaha, nefa tokony ho mailo ny vahoaka fa tsy kely lalana ny ratsy hoy hatrany izy ireo. Ny faharoa kosa dia ity tovolahy tratra nanaparitaka vola sandoka amin’ny 10.000 ariary isany tao Mahanoro ihany ny herinandro nivalona teo iny hatrany. Raha ny vaovao dia nitentina 4.000.000 ariary ny vola sandoka teny aminy naparitaka tao amin’ny distrikan’i Mahanoro sy ny manodidina rehetra, saingy tamin’ny fotoana nahatrarana azy dia 20.000 ariary sisa no hita teny aminy. Midika izany, fa efa miparitaka ao Mahanoro sy ireo kaominina ambanivohitra manodidina ireto vola 10.000 ariary sandoka ireto. Araka ny angom-baovao hatrany, dia miainga eto Toamasina ao Mangarano II sy Andranomadio ireto vola sandoka ireto, koa eo am-pikarohana ireo mpanao izany ny polisy eto Toamasina renivohitra ankehitriny…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici