Tratran’ny fokonolona tao amin’ny fokontany Manjakandriana Mahanoro ireto olona dimy nangalatra taova na rangahy be izay havany ihany nivahiny tao amin’izy mivady ireto. Niditra an-tsehatra ny zandary nandritra izany ka nosamborina izy dimy mianadahy ireto noho ny heloka vitany. Nalain’izy ireo ny maso an’ity rangahy be ity, nalain’izy ireo koa ny sofiny sy ny orony ary lelany nandritra izay. Tao an-tranon’i Nestor Velomaro mivady no nanaovana ny asa ratsy; ingahy Lerako Jean Roméo no nanao ny fakana izany ary ireo roa lahy namany no mpitazona ilay rangahy be. Ny fahenoan’izy ireo fa misy mividy izany taova izany no nanaovan’izy ireo izany satria saika hamidy izany taova izany. Saron’ny fokonolona anefa ny teti-dratsin’ireto mpangalatra taova ireto, ka nosomborin’izy ireo niaraka tamin’ny zandary izy mivady nipetrahan’ilay rangahy be, avy eo izy mivady no nanoro ilay rangahy namono sy naka ny taovan’ilay rangahy be, ary ity farany no nanoro koa fa nisy mpitazona ilay rangahy be nandritra izany ka nahasamborana ireo roa lahy farany. Tsara marihana fa mbola velona ity rangahy be ity nakan’izy ireo ny taova teny aminy ity, ary maty moa izy ny farany. Any Vatomandry moa no hiakatra fitsarana ny raharaha, fa nalefa teto Toamasina fotsiny izy ireo nanaovana ny fakana am-bavany azy dimy mianadahy. Nilaza ny zandary fa tsy andefitra ny fanaovana izany heloka izany ny zandary ary tsy maintsy henjehana hatramin’ny farany ireo mpanao izany heloka izany fa fahavalom-pirenena.
Malala Didier