- Publicité -
dimanche, juin 22, 2025
AccueilFaits-DiversMahanoro : Tovolahy iray maty tao amin’ny hopitaly vokatry ny delestazy

Mahanoro : Tovolahy iray maty tao amin’ny hopitaly vokatry ny delestazy

Nitrangana sakoroka tao Mahanoro tampon-tanana ny alarobia 17 oktobra lasa teo, ny antony dia noho ny fisian’ny delestazy lava reny tany an-toerana izay niteraka fahafatesana tovolahy irao teny amin’ny hopitaly, raha teo am-pitsaboana azy ny mpitsabo. Nandritra ity sakoroka ity, dia efa nitanjozotra niaraka tamin’ny sarin’ny ity tovolahy maty toy ireny manao famadihana ireny ny fokonolona, nikasa ny hanimba sy handoro ny foiben’ny Jirama tao Mahanoro, araka ny filamatr’ izy ireo nandritra izany hoe “aleo tsy misy toy izay ampifilafilaina tahaka izao ataon’ny Jirama izao”. Raha ny fanazavan’ny mponina tao an-toerana, dia tsy manana afa-tsy adiny iray isan’andro izy ireo amin’ny herinaratra. Mandritra izany no hanararaotana ny zavatra rehetra ilana herinaratra. Raha mikasika ilay tovolahy maty tao amin’ny hopitaly kosa na efa nangataka teo anivon’ny Jirama ny hamerenana ny jiro tao aminy ny hopitaly noho ity tovolahy ity mila fandidiana maika, dia valin-teny hafahafa no nomen’ireo mpiasan’ny Jirama tao Mahanoro ka izao maty izao no niafaran’ity tokony hodidina hamonjena ny ainy ity. Vokatr’izay dia voatery nidina tany Mahanoro mihitsy ny tale iraisam-paritry ny Jirama Toamasina, Toto Jean De Dieu, nandamina ny raharaha, izay nilazany fa manana fitaovana famokarana herinaratra goavam-be ny hopitaly, saingy nahoana no tsy nampiasaina namonjena ain’olona tao aminy, hoy ity talen’ny Jirama Toamasina ity. Tamin’izao raharaha izao koa dia milaza ny hitory ilay ben’ny Tanana teo aloha tao Masomeloka nitarika ny olona saika handoro sy hanimba ny Jirama ny talen’ny Jirama Toamasina, satria fananam-bahoaka sy fananam-panjakana ny Jirama fa tsy an’ny mpiasan’ny Jirama akory hoy Atoa Toto Jean De Dieu. Na izany nilaza ny talen’ny Jirama Toamasina, fa efa antitra ka  soloina ny  fitaovana mpamokatra herinaratra ao Mahanoro. Efa any an-toerana ny milina hanoloana ny gropy mpamokatra herinaratra ao Mahanoro izao, izay mahazaka tsara ny filan’ny mpanjifa any an-toerana, saingy manao antso avo amin’ny fanajana ny fananam-bahoaka sy ny fanatontosana ny adidin’ny mpanjifa amin’ny fandoavana ny laniny ny Jirama.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici