- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversMahavoky – Hain-trano : 42 tafo lasa lavenona, ankizivavy iray namoy ny...

Mahavoky – Hain-trano : 42 tafo lasa lavenona, ankizivavy iray namoy ny ainy, olona efatra naratra mafy

INCENDIE-MAHAVOKY-(11)Hain-trano mahatsiravina indray no nitranga tetsy Mahavoky, Andravoahangy Atsinana, omaly vao maraim-be. Trano 42 isa teo indray levon’ny afo. Ankizivavy valo taona kosa no namoy ny ainy tamin’izany ary fianakaviana efa-mianaka naratra mafy. Tokony ho tamin’ny 12 ora sy fahefany alina tany ho any no niatomboka ny lela afo voalohany, raha ny filazan’ireo mponina teny an-toerana, ary tsy voafehy tanteraka izany raha tsy tamin’ny telo ora maraina. « Tao anatin’ny torimaso tanteraka izahay no velona ny antsoantso. Efa niredareda izay tsy izy ny afo, nandevona ilay trano hazo teo akaikinay », hoy ny fitantaran’Atoa Jean de Dieu, isan’ireo niharan-doza tamin’ity voina ity. Avy amina afon-dabozia, tsy voafehy tamina tokantrano vita amin’ny hazo iray teo amoron-dalana no niavian’ny loza. « Mbola nirehitra io labozia io, kanefa izy dimy mianaka resin-tory, hany ka nananika ny fandriana ary izao niitatra be izao », hoy ny fanazavana nomen’Atoa Randrianady Liva, Sefo fokontany ao Andravoahangy Atsinanana. Tao anatin’izany, niezaka namonjy ireo sombin’ny ainy ny renim-pianakaviana iray, tao amin’ilay niandohan’ny afo. Ny telo tamin’izy ireo ihany anefa no avotra, ny iray kosa tavela tao ary izao namoy ny ainy izao. « Naratra mafy vokatr’izay famonjeny ny zanany izay izy » hoy ny fianakaviany. « May tanteraka ny tarehiny sy ny ilan’ny vatany iray manontolo. Iretsy ankizy kosa, nahitana fahamaizana madinidinika ihany ». Nalefa haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana moa ity ramatoa ity sy ny zanany. Ny folakandron’ny omaly kosa no hita ny nofo mangatsiakan’ilay zazavavy may kilan’ny afo tao, tototry ny lavenona sy hazo sisa tsy may.

Fianakaviana 244 eo no tsy manan-kialofana, hoy ny fanazavana nomen’ny Sefo fokontany hatrany. Araka ny fantatra teny an-toerana hatrany, dia trano vita amin’ny hazo  37 ary trano biriky 4 ireto levon’ny afo ireto. Tafakatra amina tapitrisany maro ny fahavoazana, satria tsy misy azo noraisaina intsony ireo entana rehetra tamin’ireo trano ireo. Tokony ho voafehy aloha ihany ny fiitaran’ny afo, hoy hatrany ireo mponina, saingy nampanano sarotra izany noho ny toetr’andro, ny tsy fisian’ny rano. Tetsy andanin’izany ihany koa, hoy izy ireo, somary taraiky kely ny fahatongavan’ny mpamonjy voina. Efa tonga nijery ny voina nahazo ireto traboina eny Mahavoky ireto ny sasantsany amin’ireo tompon’andraikim-panjakana isanisany.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici