mercredi, avril 23, 2025
AccueilFaits-DiversTsy filaminana eto Toamasina : Mahazo vahana ny valifaty sy ny vaky...

Tsy filaminana eto Toamasina : Mahazo vahana ny valifaty sy ny vaky trano

Ny alakamisy teo dia mpianatry ny oniversiten’ny Barikamisy nody alina avy any Barikadimy efa tonga teo am-bavahadiny, no niaran’ny famonoana teo am-bavahadiny. Raha ny fanamarinana voaray avy amin’ireo akaiky ity olona novoin’ny olona ity, no nilaza fa mety tena valifaty no natao taminy tao Depot. Taona fahaefatra eo anivon’ny oniversiten’ny Barikadimy ny nisy namono ity, ka ny fiandrasana ny olona nanokatra ny vavahady azy no nanafihan’ny olona azy ka izao namoizany ny ainy izao.

Raha ny fanazavana ihany koa dia mpiara-dia amina antoko politika ity nisy namono ity, nefa mbola tsy fantatra sy tratra ireo nahavanon-doza izay voalaza fa olona telo izany no nahavita izany famonoana izany. efav nalefa any an-tanindrazany, Mahajanga, ity mpianatry ny oniversite nisy namano ity. ankilan’izany dia raim-pianakaviana iray hafa ihany hita faty ny alahady teo an-davarangany magazay  tao Ampasimazava. Nandritra ny fidinana nataon’ny mpitandro ny filaminana sy ny mpitsabo nijery ny vata mangatsiaka, dia misy mangana be ny tendan’ity raim-pianakaviana izay heverina fa nokendainy no nahafaty azy. Araka ny fanazavana dia olona tsy anasa ity raim-pianakaviana maty ity, ka filokana no zavatra fanaony, izay heverina fa resaka valifaty no nahafy azy.

Ankoatra izany koa dia renim-pinakaviana iray no tapa-tanana tao anaty Tuc-Tuc izay nitranga teo amin’ny lalana Radama I Tanamakoa. Raha ny vaovao dia najanon’ilay mpamily ny Tuc-Tuc nentiny ary nivoaka nivalan-drano izy. Taoriana izay dia nilazany ilay ramatoa tao anatin’ilay Tuc-Tuc fa hatreto ny dianao ka miala ianao. Nandà izany ilay ramatoa, ka voatery namoaka antsy ilay mpamily Tuc-Tuc ary avy hatrany dia namely ilay ramatoa ka voa ny tananany ka naratra mafy ny tenany. Niezaka namonjy toeram-pitsaboana ity ramatoa ity mba hitsabo tena noho ny ratra nahazo azy.

Isan’ny mitaraina koa ny mponina ao Analakininina Hopitaly be fa tena mahazo vahana ny vaky trano ao an-toerana, ka anentanan’ny vahoaka mba hijerena azy ireo. Tena henjana izany vaky trano izany amin’izao ankatroky ny fetim-pirenena izao ao an-toerana.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici