- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMahazoarivo Antsirabe : Tany mirefy 16 Ara solokiana teratany vahiny

Mahazoarivo Antsirabe : Tany mirefy 16 Ara solokiana teratany vahiny

Tsy misy afa-tsy taratasy hosoka no nampiasain’ilay teratany vahiny hakana ny tanin’olona mirefy 16 Ara-07Ca ao amin’ny fokontany Mahazoarivo Antsirabe Ambonivohitra.

Saika tany nampiasain’ny tranombarotra Roso avokoa ny ampahany lehibe tao Mahazoarivo taloha saingy rehefa rava ity tranombarotra Roso ity dia niverina tamin’ny fanjakana ny tany ary betsaka ny olona no nanajary ny tany am-polon-taonany maro.

Fianakaviana iray nampanofa ny taniny tamina karàna no hiaran’ny tsindry amin’izao fotoana izao fa bodon’io karàna io ny taniny tamin’ny alalan’ny fampiasana taratasy hosoka sy hala-tsonia. Roa andro monja taorian’ny nahafaty ilay rangahy antsoina hoe Rakotonirina Dieu Donné tompon’ny tany dia nanaovan’ilay teratany karàna “acte de donation” tany Morondava ny taniny ny datin’ny 19 Jolay 2013, marihina fa ny 17 Jolay 2013 no maty io Atoa Dieu Donné io.

Taorian’izay dia nanaovany “acte de vente” ihany koa ny tany rehetra mirefy 29 Ara saingy io 16Ara-7Ca io no azony, ary efa nahazoany “titre” io tany io tamin’ny alalan’ny taratasy hosoka nataony tany Alakamisy Fenoarivo hoy ny fianakavian’ny tompon-tany nanazava.

Ramatoa fanta-daza, malaza ratsy amin’ny resaka fisolokiana tany, efa any am-ponja io ramatoa amin’izao fotoana, voapanga ho saika hamono solombavambahoaka no ambadik’ity raharaha ity.

Talohan’izao dia maro ireo karàna no nifandimby nandroaka ireo fianakaviana tao amin’ny taniny. Hiakatra fitsarana anefa ny raharaha ankehitriny, ary dia nambaran’ny fianakaviana fa notambazana vola 2 miliara izy ireo ho vidin’ny tany sy tsy hiakaran’ny rahaharaha eny amin’ny fitsarana. Nanamafy anefa ny tompon’ny tany fa tsy hamidy ny tanindrazany.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici