- Publicité SW45 -
lundi, mai 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMahazoarivo Antsirabe : Tovovavy mpianatra, maty irery tao an-tranony

Mahazoarivo Antsirabe : Tovovavy mpianatra, maty irery tao an-tranony

Ireo namany hindrana afokasoka vao maraina no nahatsikaritra zavatra hafahafa. Nampandre olon-dehibe teo amin’ny manodidina izy ireo, ireto farany no nanapitsoka ny varavarana. Akory ny hatairana, fa vatana efa mangitsy sisa no tazana. Tao Mahazoarivo avaratra no nitrangan’ity vaovao mampalahelo ity, ny faran’ny herinandro teo. Mpianatra kilasy famaranana eto Antsirabe ity namoy ny aina tampoka ity. Manofa trano, mipetra-drery izy io, saingy misy ireo namany iray fonenana aminy. Ny zoma antoandro no nambaran’ireo namany, fa nahitany azy farany ary nihidy tao an-trano foana. Tsy nitaraina ho narary izy ary salama tsara ny fahitan’ireo namany azy. Ny sabotsy lasa teo anefa raha tonga haka afokasoka tao an-tranony ny namany no tsy namoha mihitsy izy. Na dia nandondona sy niantsoantso mafy aza ity namany, dia tsy nisy namoha hatrany. Notsikilovina teo amin’ny lavaka fidiran’ny fanalahidy ary io izy tazana matory eo am-pandriany, saingy tsy mihetsika mihitsy. Mahana ity namany ka nampandre ny olon-dehibe teo amin’ny tanàna. Voatery nopitsohana ny varavarany. Rehefa nozahana, dia tsy misy aina intsony ilay tovovavy kely mpianatra. Fantatra fa ankizy avy any Alakamisy Anativato Betafo izy io ary mianatra eto Antsirabe. Tombanana ho fijanonan’ny fitempon’ny fo tampoka no nahafaty azy.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici