- Publicité -
jeudi, juin 19, 2025
AccueilFaits-DiversMahazoarivo : Fatim-behivavy tao anaty lobolobo, niboridana ny tapany ambany

Mahazoarivo : Fatim-behivavy tao anaty lobolobo, niboridana ny tapany ambany

Renim-pianakaviana 37 taona iray no hita faty tanaty lobolobo tao amin’ny fokontanin’Ambohidrasirika Mahazoarivo, omaly tokony ho tamin’ny valo ora sasany maraina. Tsy vitan’izany fa niboridana tsy nisy akanjo intsony ny tapany ambany. Voamarina fa vehivavy monina eny ihany izy ity. Tsy fantatra mazava izay zavatra nitranga saingy ho an’ireo rehetra nanatri-maso ny loza dia tsy isalasalana fa vono olona niaro fanolanana no nihatra tamin’ity vehivavy ity. Araka ny fitantaran’ireo fianakaviany dia tsy nisy nanam-po ny zavatra niseho fa ny feo niely fa misy fatin’olona sy ny fokonolona nitangorona nanoloana ny razana no nanaitra azy ireo. ” Efa zatra mivoaka vao maraina izy, manodidina ny amin’ny dimy ora eo, mandeha mividy sigara sy sakafo maraina ho azy mianakavy kely. Tamin’ity androany ity anefa dia mbola tsy tafaverina ny trano ihany izy, adiny roa taty aoriana. Tsy nahandry ny reniny intsony izy telo mianadahy fa avy dia nandeha nianatra. Ny lehibe koa samy sahirana tamin’ny asa aman-draharahany avy. Kelikely taorian’io dia niely ny feo fa misy fatin’olona tsy lavitry ny tranon’Itompokovavy. Tonga mba nijery koa izahay tahaka ny olona rehetra. Tsy nisy nieritreritra na inona na inona. Akory anefa ny hatairanay raha nahita fa hay tena izy ity novonoin’olona ity. Saingy efa tsy nisy akanjo intsony ny tapany ambany” hoy ny fitantaran’ny anadahiny. Ho an’ny fianakavian’ny maty dia zavatra efa nomanina ity niseho ity. “Tsy mino izahay hoe nisy nanendaka izy satria ny vola nentiny tany aminy aza kely dia kely. Efa nandrasan’ireo olon-tsy mataho-tody ny fotoana nivoahany ny trano hamitan’izy ireo ny sain-dratsiny. Ary vonoan’olona vao tsy ela akory io satria ny ràny nikoriana aza mbola tsy nivaingana”, hoy ny fanamarihan’ity fianakaviany iray. Raha ny fandinihana azy dia misy fahavakisana eo amin’ny lohany. Marihina hatrany fa efa tsy miara-mipetraka amin’ny vadiny intsony ity renim-pianakaviana ity fa misahana samirery ny adidy ao an-tokantranony. Efa eo am-pelatanan’ny “Brigade criminelle” ny raharaha. Ny fianakaviany rahateo efa manana olona ahiahiana amin’izao raharaha izao ka milaza hametraka fitoriana. Misokatra araka izany ny fanadihadiana.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici