- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversMahazoarivo : Mpanao trano maty tapa-tenda, voadidin’ny fanitso

Mahazoarivo : Mpanao trano maty tapa-tenda, voadidin’ny fanitso

Loza efa ho avy ! Mpanao trano iray no namoy ny ainy, rehefa niantefa teny amin’ny tendany ny fanitso iray tokony ho napetany. Saika tapaka tarangana mihitsy ny tendan’ity tovolahy 30 taona ity. Teny Mahazoarivo no nisehon’ity zava-doza tsy nampoizina nihatra tamin’ity mpanao trano ity, omaly maraina. Roa lahy izy ireo no nanao ity asa ity tamin’io fotoana io, izay nantsoina hametaka tafon-trano. Efa samy nihanika teny ambony teny izy ireo tamin’io fotoana io, saingy toa hoe, tsy ampy ny fantsika nametahana ny fanitso. Ny naman’ity namoy ny ainy ity no nandeha nividy izany, raha ny fantatra. Mbola nijanona teny ambony, nanindry ireo tafo tsy nipetaka araka ity mpanao trano ity. Tamin’io fotoana io indrindra anefa no somary nisy rivotra nahery nitsoka sy nanainga ireo fanitso, mbola tsy tafapetraka. Niezaka ny nitana izany tsy hoentin’ny rivotra ity ranamana ity tamin’izany. Saingy atambo no niseho. Niantefa avy hatrany teny aminy ary nahazo ny tendany ilay zava-maranitra. Tsy vitan’izay fa mbola napitiky ny herin’ity tafo nentin’ny rivotra izy ary dia niakarapoka tety ambany. Tsy nisy nahita ny zava-niseho, raha ny vaovao azo, raha tsy efa fotoana ela taty aoriana. Olona efa nihetsika intsony no novantanin’ilay namany. Niantso vonjy avy hatrany ity farany, ary nezahina nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana ity naratra, saingy indrisy fa efa be loatra ny rà very taminy, ka tsy tana intsony ny ainy. Rehefa avy natao fitsirihana tao amin’ny tranom-paty moa ny razana, dia nomena ny fianakaviany. Araka ny fantatra dia mpila ravinahitra aty Andrenivohitra ity ranamana mpanao trano namoy ny ainy ity. Avy any amin’iny faritra Vohipeno iny no fiaviany.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici