- Publicité -
dimanche, mai 25, 2025
AccueilFaits-DiversMahazoarivo : Mpimasy nihantsy mpitandro filaminana, maty voatifitra

Mahazoarivo : Mpimasy nihantsy mpitandro filaminana, maty voatifitra

« Raha mbola izy no izy, tsy hahasambotra ireo dahalo namany ireo mpitandro filaminana ». Io no vava navoakan-dRamano, isan’ireo mpimasy sy mpilalao ody gasy ikoizana sy atahoran’ny olona fatratra any amin’iny distrikan’Isandra iny. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo zandary tany an-toerana ka voasambotra niaraka tamin’ireo ody gasiny ity mpimasin-dahalo ity. Mbola nikasa ny hitsoaka ihany anefa, ka voatery nitifitra ireo zandary. Maty avy hatrany Ramano …

Ny vava no tsy atao be, hoy ny fitenenana… Ny faran’ny herinandro lasa teo dia nahazo angom-baovao mahakasika ny fisiana mpimasin-dahalo rain-dahiny any amin’iny distrikan’Isandra iny ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Mahazoarivo. Ity rangahy ity, izay sahy nanao fanamby fa raha mbola izy no eo, tsy hisy « dahalo taizany » ho voasambotra na dia iray aza. Nidina avy hatrany tany amin’ny trano fonenan’ity mpiray petsapetsa amin’ny dahalo ity ireo mpitandro filaminana ka voasambotra tao an-tranony tao amin’ny tanàna antsoina hoe Aterimihila, kaominina Mahazoarivo, distrika Isandra,  ny lehilahy iray fantatra amin’ny anarana hoe « Ramano mpampandro », izay mpanao fanafody gasy, ody bala, ary mpamatsy ody ireo dahalo rain-dahiny any amin’iny faritra Matsiatra Ambony iny. Araka ny fampitam-baovao azo dia tratra tao an-tranony nandritra ny fisavàna izany ireo tapa-kazo marobe, niaraka tamin’ny moara maromaro. Tsy vitan’izay ihany, hoy ny vaovao, fa mbola nahitàna basy vita gasy miisa roa niampy balana « kalachnikov » maromaro sy bala « calibre12 » miisa telo tao an-tokatranony. Nosamborina avy hatrany ity farany ka nentina nihazo ny tobin’ny zandary atao famotorana.

Teny an-dalana anefa, raha ny loharanom-baovao hatrany dia toa hoe mbola niezaka nampiasa ny fanafodiny ingahirainy, ahafahana miporitsaka teo an-tanan’ireo zandary. Indrisy anefa fa diso nitoky loatra tamin’ireto « tapa-kazo » tsy mandeha lalany ingahirainy, eny fa na dia voavahany mora foana aza  ny fatotra, tongotra aman-tanana natao taminy, izay « zava-nahagaga » ihany hoy ny fampitam-baovao. « Saingy noho ny fahaizamanaon’ireo zandary dia tsy lasa lavitra ity mpanao ratsy ity fa naratra mafy noho ny tifitra nahazo azy ka tsy tana ny ainy ». Anisan’ireo nanampy isa ireo « dadarabe » mpiray tsikombakomba amin’ireo dahalo, tsy afa-manao intsony ny asa ratsiny indray izany ity iray voatifitra tany Isandra ity. Marihana fa hetsika iray ataon’ireo mpitandro filaminana hiadiana amin’ny asan-dahalo moa ity fanaovana hazalambo ireo mpimasy sy mpilalao ody gasy mpiray tendro amin’ny olon-dratsy ity. Fantatra mantsy fa raha mbola eo izy ireny, izay itokian’ireo malaso tokoa amin’ireo karazan’ody ratsy amboarin’izy ireny dia tsy ho foana mihitsy ity resaka tsy fandriam-pahelamana ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici