- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMahazoarivo : Tany nihotsaka, olona roa namoy ny ainy

Mahazoarivo : Tany nihotsaka, olona roa namoy ny ainy

Namoizana ain’olona roa indray ny tany nihotsaka tetsy Mahazoarivo omaly maraina. Rindrin-tany, saika hanaovana « mur de soutènement » ity namono olona ity tao « anatin’ny faritra misy ny « Missionnaire Sainte Famille » Ambohidreny-Ambohidraserika », araka ny fanazavàna azo avy amin’ny pôlisim-pirenena. Tokony ho tamin’ny sivy ora maraina teo ho eo no niseho ny loza, araka ny angom-baovao azo. Mazava ho azy, nisy mpiasa tao anatin’io faritra io tamin’io fotoana io. Raha mbola variana nangady fototra teo anefa ireo mpiasa no nihotsaka tampoka ilay rindrin-tany aman-taoniny maro. « Olona fito izay mpiasa ao avokoa no niharan’ny loza ka ny efatra tamin’ireo dia avotra soa aman-tsara avokoa, ny iray kosa nentina teny amin’ny hopitaly ary efa mihatsara ny ny fahasalamany ary ny roa hafa dia ireo namoy ny ainy ireo, noho ny fahasarotana tamin’ny famoahana azy ireo tao ambanin’ny tany », hoy hatrany ny fanazavàna tamin’ireo mpitandro filaminana. Marihana fa mpianaka : ny raibeny (67 taona) sy ny zafikely (27 taona) ireto maty ireto. Vao nitranga moa ny loza dia niantso vonjy avy hatrany teo amin’ny manodidina ireo mpiasa. Niara-nientana avokoa tamin’ny famonjena ireo fokonolona teo an-toerana, ary nampian’ireo mpamonjy voina izay tonga haingana teny  an-toerana. Nambaran’ireo olona teny an-toerana fa naharitra teo amin’ny adiny dimy teo ho eo ny nisokirana ny vatana mangatsiakan’ireto mpianaka tototry ny tany ireto. Tonga teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy sy nanokatra ny fanadihadiana kosa ireo tompon’andraikitry ny filaminana teny  an-toerana. Tsiahivina fa  fanindroany amin’izao no nisehoana tranga tahaka ity nahafaty olona teto an-drenivohitra. Mbola rindrin-tany saika hanaovana “mur de soutènement” tahaka ity ihany koa mantsy no nihotsaka nahafaty olona tetsy Nanisàna, volana vitsivitsy lasa izay.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici