- Publicité SW45 -
vendredi, décembre 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMahazomà-Maevatanàna : Lehilahy nisikotra fivaviana zazavavikely tamin'ny ratsan-tanany

Mahazomà-Maevatanàna : Lehilahy nisikotra fivaviana zazavavikely tamin’ny ratsan-tanany

Manomboka manao sesilany indray ny herisetra mianjady amin’ny ankizy tsy ampy taona tao ho ao aty amin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Ny alina Alahady hariva efa homazin-joro teo no fantatra, fa nahitana trangana herisetra tsy dia fahita firy teto amin’ny taniny Repoblikan’i Madaksikara, tany amin’ny kaominina ambanivohtra Mahazomà, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Ka ilay lehilahy iray no nanitan-kevitra nanana toe-dratsy tamin’ny zazavavikely tokony, dimy taona eo. Miara-monina eny amin’ny manodidina amin’ity lehilahy ity ny Rainy sy ny Reniny niteraka an’ilay zazavavikely, ka sendra tsy tao izy ireo no nananaoratra tokoa ny lehilahy. Notereny hijery ireny sary mamoafady ao anatin’ny finday ny zaza tsy mahafantatra na inona, ary nasisikany nampidiriny tany anatin’ny fivavihan’ilay zaza ny ratsan-tanany no sady nahozo fafinaretana amin’ny haratsian-tsaina ny lehilahy. Rehefa vita ny naotany dia niala moaramora namonjy fodiana ralehilahy. Taorian’izay no tonga ny Ray aman-dreniny avy nivarotra laosopy, ka tolagaga rehefa nahitan-janany nitomany tsy mamoka pipy sy mitaraina marary amin’ny taovam-pananany. Tsy niandry ela ireo lohana an-kohonana, fa tonga nitondrany zanany teny amin’ny dokotera hijerena ny zavatra mahazo azy. Teo no vohamariny mpitsabo, ka efa simba tanteraka ny fivavihany no nilaza ny nafenina ilay zazavavikely, ary nanondro Atoa Tavila, izay nahavan-doza. Niroso tamin’ny fisamborana avy hatrany ny Zandary avo amin’ny  » Poste Fixe Mahazomà » rehefa nahazo fampandrenesana ny zava-nitranga, ary ny alina io ihany azo sambom-belina ny lehilahy ary notazomina ao amin’ny fonjakelin’ny Zandary any an-toerana ho hatao famotorana. Efa indroa amin’izao moa ny tao an-tampon-tananan’i Mahazomà no nahitana trangana herisetra tahaka izao, tamin’ty taona ity. Saingy navotsotr’ireo Zandary ny lehilahy efa somary nahazo taona, fa nisy ny fifampiraharahana teo aminy sy ny Ray aman-drenin’ilay vehivavikely tokony 13 taona, izay nanaovany fanolanana tamin’ny filan-dratsiny. Nampametram-panotaniana ny mponina any amin’iny faritra iny izany zava-niseho tany an-toerana izany. Satria melohany lalàna tokoa mantsy ny herisetra miaro fanolanana eto amin’ny tany sy ny firenena, nefa nalamina tsotra izao fotsiny ny raharaha. Voalaza mantsy fa hoe mpanao politika hono io nahavan-doza io. Mety izay tokony ve ny antony namontsoran’ny Zandary azy sa vokatrany fifampiresana. Ny tsy fanaran-dàlana eto amintsika dia tsy misy hanavahana na iza na iza, fa ity tany Mahazomà ity dia mampiteny maona. Andrasana be sy ny maro any an-toerana indray izany no mety tohiny fanadihadiana ataon’ny mpitandro ny filaminana an’ilay lehilahy antsoina hoe Tavilahy nanao herisetra tamin’ny zazavavikely dimy taona.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici