Anisan’ny vaindohan-draharaha napetraky ny lehiben’ny faritra Betsiboka, Andriamatoa Tombozara ao amin’ny faritra iadidiany ny hisian’ny filaminam-bahoaka eny anivon’ny fiarahamonina sy ny elakelan-trano tsirairay avy, ka izay indrindra no antony nahatonga azy nanao izao hetsika diaben’ny fandriampahalemanana mitety kaominina izao. Taorian’ny kaominina ambanivohitra Berivotra 5/5 nampiantrano izany, dia notanterahana tao amin’ny renivohitry ny kaominina ambanivohitra Mahazomà, ato anatin’ny distrikan’i Maevatanàna ny diaben’ny fandriampahalemanana. Solotenan’ny mambran’ny dinam-pokon’olona avy amin’ny Kaominina rahavavy toy ny Beanana, Maevatanàna faharoa, Antanimbary, Bemokotrà, Maria no tonga nanatrika ny hetsika tany an-toerana, ny marainan’ny Sabotsy faha 24 Oktobra taona 2026 teo. Ny tale kabinetra ny faritra Betsiboka sy ny mpiara-miasa aminy kosa no nisolotena an’Andriamatoa lehiben’ny faritra. Nandritra ny fandraisam-pitenenana, dia nafana ny fanehoan-kevitra nisy tamin’ny dinika nentina hanatsarana ny fandriampahalemana, izay hafahana miady amin’ny asan-dahalo efa mahazo ankehitriny. Voaresaka tao ihany koa ny fitavozavozana amin’ny fandraisana andraikitra ataon’ny mpiray Dina. Tsy niasalalasa niteny ny ben’ny tanànan’i Mahazomà, fa mamely mponina any amin’ny faritra misy azy ny asan-jioalahy.
Ratantely




