Tambajotran-jiolahy iray indray no ravan’ny zandary avy amin’ny kaompania Imerina Central, izay misahana iny faritra Ambohidratrimo sy ny manodidina iny, ny herinandro lasa teo. Enin-dahy izy ireo, izay nahatratrarana fitaovam-piadiana, ody gasy ary fanamiana zandary. Nisesisesy tokoa tato ho ato izay ny fanafihana mitam-piadiana teny amin’iny faritra Ambohibao, Talatamaty ary Ambohidratrimo iny, tonga hatrany Mahitsy. Raha ny fantatra dia ireto tambajotran-jiolahy ireto ihany no tompon’antoka tamin’izy ireo. Niainga avy tamina fanafihana nitranga tao Antanetibe Mahazaza ny nahazoana ireto olon-dratsy ireto. Ny herinandro lasa teo, rehefa avy nanafika tokantrano iray tao an-toerana, ka nahavoatifitra ny tompon-trano mantsy ny jiolahy dimy lahy dia nitsoaka nihazo an’i Mahitsy. Nifanena tamin’ny zandary mpanao fisafoana izy ireo ka dia noraisim-potsiny ny roalahy, tafatsoaka kosa ny ambiny. Nanomboka teo ny savahao ka tafakatra efa-dahy no voasambotra. Nitohy tamin’izy efa-dahy ireto ny fanadihadiana ka dia nanoro ny namany roalahy izy ireo. Tany Ankazobe no nosamborina ireto roalahy ireto ny zoma lasa teo. Tamin’izany no nahitàna ireo karazana fanafody gasy sy akanjona zandary ireo tao an-tranony. Fitaovana entin’izy ireo manafika. Misandoka ho mpitandro filaminana araka izany ireto olon-dratsy ireto rehefa manao ny asa ratsiny. Marihana, hoy hatrany ny fanazavàna azo, fa tsy misy na dia iray amin’izy ireo aza mpitandro filaminana. Vinavinaina ho tamin’ny fotoana mbola nahagoragora ny fividianana fanamiana araka izany, hoy hatrany ny tompon’andraikitra nitafa tamin’ny mpanao gazety, no nahazoan’izy ireo ireto fanamiana miaramila ireto. Mbola misy olona iray karohin’izy ireo fatratra moa amin’izao fotoana, izay voalaza fa isan’ny atidoha mpitarika ireto olon-dratsy ireto ary mihazona ireo basy fentin’izy ireo manafika. Omaly moa ireo olon-dratsy ireto no nentina teny anivon’ny Fampanoavana.
m.L