- Publicité SW45 -
mercredi, mars 19, 2025
AccueilFaits-DiversMahitsy : Lehilahy matin’ny hanoanana

Mahitsy : Lehilahy matin’ny hanoanana

Ny vatana mangatsiaka an’ilay lehilahy iray efa tsy misy aina intsony no hita teo amoron-tanimbary, Avaradrenirano Ikopa, ao amin’ny fokontany Soavinimerina, kaominina Mahitsy,  omaly maraina, tokony ho tamin’ny valo ora teo ho eo teo. Nampandrenesina avy hatrany ireo tompon’andraikitry ny tanàna ka nisy ny fidinana ifotony nataon’ny teo anivon’ny zandary sy ny mpitsabo nijery ifotony ny zava-nisy. Araka ny fitsirhana nataon’ireto farany dia fantatra fa efa somary elaela io lehilahy io no namoy ny ainy. Antony nahatonga ny fahafatesana moa, raha ny voalaza dia vokatry ny hanoanana diso tafahoatra. Manginy fotsiny ny hatsiaka vokatry ny rotsak’orana teo an-drenivohitra sy ny manodidina. Raha ny vaovao hatrany dia tsy misy mahafantatra ity olona hita faty ity ny mponina teny an-toerana.

Nentina ary naterina eny amin’ny tranom-patin’ny hôpitaly eny Bejofo moa ny razana araka ny fampitam-baovao azo hatrany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici