Nandriaka indray ny rà, teny amin’iny lalam-pirenena fahefatra, eny fa na dia efa tsy misy fiara mpitatitra miasa intsony aza. Ny alarobia teo, tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro tany ho any, teny Andohamasina, Ampanotokana Mahitsy. Fiara « minibus » marika Toyota, no nifatratra teny amina kamiao lehibe iray nifanena taminy. Rotika tanteraka ny ilany havian’ity fiara voalohany ity, niainga teo amin’ny faritra nisy ny mpamily, tonga hatrany amin’ny varavarana eo amin’ny valahany. Maty tsy tra-drano vokatr’izay ilay mpamily, tovolahy vao manodidina ny 30 taona any ho any.
Araka ny fanazavana nomen’ny zandary teny an-toerana, dia nirimorimo fatratra tokoa ity fiara minibus ity, saingy angamba noho ny antony teknika, dia tsy voaviliny sy voatanany intsony ny familiana ka io niharan-doza io. Nanampy trotraka izany ihany koa araka ny fanazavana azo hatrany dia ny hoe fiara mbola hamboarina izy io ary tamin’io fotoana io dia handeha hatao andrana teny amin’ny lalam-pirenena. Angamba efa hita fa tomombana avokoa ireo pitsopitsony rehetra mahakasika ny motera ka an-dàlana niverina hitondra azy hody eny Mahitsy ilay tovolahy no izao tra-doza izao. Marihana hoy ny vaovao hatrany, fa anisan’ireo « mecanicien » namboatra ilay fiara ity namoy ny ainy ity. Araka izany mety ho nitsapa tanteraka ny herin’ny môtera ranamana ka dia nandeha mafy tokoa. Voalaza mihitsy aza, fa hoe nifanenjika tamina fiara hafa mitovitovy aminy izy teny an-dalana, saingy tsy voamarina io tranga io, hoy ireo mpitandro filaminana noho ny tsy fahitàna izany fiara nifanenjika taminy izany intsony. « Nitranga ny loza, hoy hatrany ireo mpanao fanadihadiana, rehefa nifanena tamina fiarabe iray tao anaty fiolahana mampidi-doza izy sy ny fiara nentiny, ary tsy nisy azo natao intsony ». Voatery nosokirina tao anaty karaokam-by mihitsy moa ny vatana mangatsiakan’ity tovolahy ity. Taorian’ny fitsirihana, dia efa natolotra ny fianakaviany. Voatery notanana natao andrimaso sy fanadihadiana kosa ny mpamilin’ilay fiarabe, raha ny fanazavana azo hatrany.
m.L