Lehilahy iray manodidina ny 19 taona no hita faty, nantsingevan’ny ranon’Ikopa, ny andron’ny alarobia teo, tetsy Antokomaro, kaominina Mahitsy. Araka ny vaovao azo dia mpaka fasika teny an-toerana ity lehilahy ity no nentin’ny rano tampoka ary izao hita faty izao.
Olona niasa teny an-toerana ihany no nahita azy efa tsy nisy aina intsony natsingevan’ny rano teo Ambavarano Ikopa. Noezahina novonjena haingana saingy indrisy fa efa vatana mangatsiaka no nampiakarina an-tanety. Nampandresina avy hatrany moa ny mpitandro filaminana, izay tonga teny an-toerana niaraka tamin’ny mpitsabo. Taorian’ny fitsirihana ny razana no nahafantarana fa fahafatesana vokatry ny fahadoboana an-drano no nahazo azy. Tany ho any amin’ny 11 ora sy sasany tany ho any mety niseho ny loza ary izao nitondra azy tamin’ny fahafatesana na dia teo ihany aza ny famonjen’ireo namany. Mponina eny an-toerana ihany ity lehilahy ity ary io maka fasika ao anaty rano io no asany.
Satria moa nisy ny aina nafoy dia tsy maintsy nosokafana ny fanadihadiana mahakasika ity loza ity. Ny vatana mangatsiaka an’ilay tovolahy kosa dia efa nomena ny fianakaviany taorian’ny fitsirahana nataon’ireo mpitsabo.
m.L




