- Publicité -
mardi, juillet 15, 2025
AccueilFaits-DiversMahitsy : Mpamaky trano nitsoaka tanaty taxi-brousse

Mahitsy : Mpamaky trano nitsoaka tanaty taxi-brousse

Vao avy nahavita ny asa ratsiny ranamana dia ny handeha hitsoaka haingana hiala tao an-tanana no mby tao an-tsainy. Teny ambony taxi-brousse ingahirainy no nopaingorin’ny zandary mora foana. Tranga niseho tetsy amin’ny fokontany Tsarahonenana, ao amin’ny kaominin’i Mahitsy ny alin’ny zoma hifoha sabotsy lasa teo.

Araka ny fampitam-baovao nalefan’ny zandary dia lehilahy iray no voasambotry ny zandary mpanao sakana teny amin’iny lalam-pirenena fahefatra iny, ny andron’ny zoma hifoha sabotsy teo, tokony ho tamin’ny roa ora maraina tany ho any. Nilonjehitra entana isan-karazany ity lehilahy ity, izay efa tao anaty taxi-brousse, handeha hiakatra aty an-drenivohitra no tsikaritr’ireo mpitandro filaminana. Nahitàna kojakojan-tokatrano isan-karazany ireo entany, izay tsy voavaliny mazava ny fiaviany. Rehefa nofotopotorana anefa dia fantatra ihany fa entana halatra azony tao amina tokatrano iray teny an-toerana izy ireo. Ny lehilahy, izay araka ny tati-baovaon’ny zandary hatrany dia efa mpamaky trano hikoizana eny amin’iny faritra Mahitsy sy ny manodidina iny. Efa tsy zoviana amin’ireo zandary ihany koa satria dia efa mpamerin-keloka. Nentina niverina nihazo ny biraon’ny zandary moa ranamana ary notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy, nialohan’ny hanolorana azy indray eny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici