Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ilay tovovavy. Mpianatra ho mpitsabo izy ary vao 16 taona. Nisy dian’antsy ny vatany ary nifatotra izy tamin’ny fotoana nahitàna azy. Raha ny tombana dia mbola niharan’ny herisetra ara-nofo koa ity tanora ity. Anjarany ny niandry raharaha tao amin’ny hopitaly Hjra ny asabotsy teo. Tsy tonga anefa izy ary nanomboka teo koa no nanaitra ny sain’ny olona. Rehefa nandeha ny fanadihadiana voalohany dia nisy ny feo nandeha fa nisy naka an-keriny izy ary nisy fitakiana vola tamin’ny fianakaviany tao anatin’izany. Miompana tanteraka amin’izany ny mpitandro ny filaminana ankehitriny mba hahafahana mitady ireo mpanao ratsy. Nanaitra ny sain’ny maro ity vonoan’olona feno habibiana ity. Indrindra koa somary nisesy izany tamin’iny herinandro iny, isan’izany ilay fahitàna lehilahy maty notsindromina zava-maranitra tetsy Ankorondrano. Io dia resaka disadisa momba ny resaka tamboho fotsiny dia nitarika fidarohana ary nahafaty olona. Efa nidoboka am-ponja ny voarohirohy ho tompon’andraikitra tamin’io heloka bevava io. Azo heverina fa toa lasa mora amin’ny sasany ny manaisotra ain’olona ary matetika dia toe-javatra tsy dia tokony misy dikany loatra na azo ifampiresahana koa dia efa mitarika amin’ny heloka bevava. Etsy ankilan’izany, manomboka miverina eto an-drenivohita koa izany ny fakàna an-keriny mba hitadiavam-bola. Tamin’ity tranga tetsy Mahitsy ity dia azo eritreretina ho olom-patatry ny namoy aina ihany no mety ho tompon’antoka matoa tonga tamin’ny famonoana. Mateti-pitranga izany mba tsy hisian’ny vavolombelona.
D.R




