Ny alin’ny zoma lasa teo, tokantrano telo be izao no indray nasesisin’ny jiolahy notafihana sy norobaina tao Antanetilava, Ampanotokana, any amin’iny faritra Mahitsy iny. Na dia tsy misy aza ny aina nafoy sy ny naratra tao anatin’izay fanafihana mitam-piadiana izay dia azo lazaina fa nahazo izay nilaina ireo olon-dratsy. Vola aman’hetsiny maromaro, niampy fitaovana sarobidy isan-karazany no lasan’izy ireo. Raha ny fanazavana azo dia saika mpivarotra ao an-toerana avokoa ireto voatafika tamin’ny andro alina ireto. Tao anatin’ny torimasony mihitsy mantsy ireo niharam-boina ka tsy naheno velively ny fiakaran’ireo olon-dratsy tao an-trano sy ny nanapitsohan’izy ireo ny varavarana. Izy ireo efa eo am-povoan-trano mandrahoana ny hamoahana ny vola no nanaitra ireo tompon-trano. Saika paik’ady mitovy tahak’izay avokoa no nandroban’izy ireo an’ireto tokatrano ireto.
Vantany vao azon’izy ireo moa ny nilainy dia nitsoaka toy ny teo izy ireo. Nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana kosa ireo niharam-boina ary efa mandeha ny fikarohana ireto olon-dratsy.
m.L