- Publicité -
dimanche, mai 18, 2025
AccueilFaits-DiversMahitsy : pitondra môtô maty voadonan’ny kamiao

Mahitsy : pitondra môtô maty voadonan’ny kamiao

Raha ny fitantaran’ireo olona nanatri-maso ny loza dia toa hoe niala alika teo am-povoan-dalana ilay mpitondra môtô, kanjo notsenain’ny kamiao nifanena taminy.

Nandriaka indray ny rà tamin’iny lalam-pirenena fahefatra iny omaly maraina. Raim-pianakaviana iray, manodidina ny 50 taona any ho any, nitondra irony moto « routiere » irony no maty tsy tra-drano rehefa nifandona tamina fiarabe teo Antongombato Mahitsy. Mafy dia mafy ny dona nahazo azy, raha ny filazan’ireo nanatri-maso hatrany satria dia nipitika niala ny aroloha nanaovany, potika tanteraka ny lohan’ilay moto nentiny, rapa avokoa ny tarehiny ary vaky ny lohany. Antony izay hinoana fa nitondra azy tany amin’ny fahafatesany. Raha izay fandehany izay tokoa dia azo heverina fa samy nandeha mafy, na ilay fiarabe nifanena taminy na ny kodiaran-droa nentiny. Nambaran’ireo teny an-toerana hatrany fa hoe nisy alika nibahana ny arabe nandehany tamin’io fotoana io ary niezaka niala izany ny tenany. Saingy ny loza dia raha iny izy nidify kely ny ampahan-dalana tokony ho azy iny no nipoitra tampoka ilay fiarabe. Tsy tana intsony ny loza araka izany. Efa tonga teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy moa ireo mpitandro filaminana. Nentina nihazo ny hopitaly ny razana ary ilay mpitondra kamiao kosa notanana natao famotorana.

 

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici