- Publicité SW45 -
mardi, avril 16, 2024
AccueilFaits-DiversMahitsy : Rongony sy ody gasy, tra-tehaka tao an-tranon-dry Gila sy ny namany

Mahitsy : Rongony sy ody gasy, tra-tehaka tao an-tranon-dry Gila sy ny namany

Nogiazan’ny zandary avy hatrany ny « entana ».

Misesisesy ny fisamborana. Telolahy indray no fantatra fa nopaingorin’ny zandary teny amin’iny faritra Mahitsy ao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo, omaly, tokony ho tamin’ny efatra ora maraina. Izy ireo, izay efa hiarahan’ny rehetra mahalala fa anisan’ireo mpamatsy rongony iny faritra iny, raha ny voalazan’ny zandary. Hiaraha-mientana ny ady atao amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina sy ny fidorohana na fitsindromana izany. Vokatry ny fanentanana tao anatin’ny tagnamaron’ny fandriampahalemana araka izany no nahazoan’ny zandary ny vaovao mahakasika an’ireo mpamongady rongony teny amin’iny faritra Mahitsy iny, fantatra amin’ny anarana hoe ry Gila sy ny namany. Nisy avy hatrany fidinana tamina faritra maromaro, ny tao Ambany Atsimo, Ambodivary, ary Antanetilava, izay samy ao amin’ny fokontanin’i Mahitsy avokoa, izay misy azy ireo. Notanterahana ny fisavàna ny tranony, rehefa nahazoana alalàna tany amin’ny fitsaràna. Tamin’izany no nahitàna fonosan-drongony an-jatony mahery tany ho any, rongony rarany, tao anaty sachet miisa fito, rongony maina tapa-gony ary ody gasy : mohara miisa fito, misy tadiny mena, araka ny fampitam-baovao azo. Ankoatr’ireo ny kitapo sy sachet izay vao nisy izany, saingy azo heverina fa efa lafo avokoa ny tao anatiny. Nogiazana avy hatrany ny « entana » ary ankoatra azy telolahy mpivarotra dia nisy mpidoroka anankitelo hafa ihany koa noraisim-potsiny tao an-tranon’izy ireo. Nosamborina avy hatrany izy enin-dahy ireto ary notanana natao andrimaso, ho amin’ny famotorana, mialohan’ny hanolorana azy ireo eny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici