- Publicité SW45 -
mercredi, mai 15, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMahitsy : Voasambotra ireo jiolahy nitsoaka tany Maevatanana

Mahitsy : Voasambotra ireo jiolahy nitsoaka tany Maevatanana

Ny faran’ny herinandro teo no nanaovan’ny pôlisy avy any Maevatanana bemidina tetsy Mahitsy, distrikan’Ambohidratrimo, ny andian-jiolahy maromaro, avy namita asa ratsy tao an-drenivohitr’i Betsiboka tao. Araka ny fantatra mantsy dia isan’ireo tompon’andraikitra tamin’ny halatra niseho tao Ambodimadiro, kaominina Maevatanana izy ireo ny tapatapaky ny volana febroary lasa teo. Tamin’io fotoana io, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisim-pirenena, dia « nitrangan’ny halatra niseho tamin’ny tokantrano iray tao Ambodimadiro Maevatanana ny 11 febroary 2024 lasa teo ka nahaverezana solosaina sy finday, ary kojakoja maro samihafa (…) Fantatra tamin’izany fa lehilahy iray no tompon’antoka ary efa nitsoaka niakatra taty an-drenivohitra rehefa avy nanao ny asa ratsiny ». Nandray andraikitra avy hatrany ireo mpitandro filaminana tompon’ny fanadihadiana ka niezaka nikaroka izay toerana niafenan’izy ireo izay. « Nokarohina ary nanaovana vela-pandrika ity jiolahy ity, ka fantatra fa miery ao Mahitsy, distrikan’Ambohidratrimo, faritra Analamanga ». Raha ny vaovao hatrany mantsy dia voalaza fa niafina sy niantrano tao amin’ny tokantrano iray tao an-toerana izy ireo. Hita tao tokoa ny jiolahy, ary ireo olona telo hafa, lehilahy miisa roa sy vehivavy iray izay mpiray tsikombakomba aminy. « Ordinateur portable marika Asus izay halatra tamin’ilay andron’ny 11 febroary 2024 no mbola hita tao amin’ilay tokantrano niafenany ary fantatra ihany koa fa zokiny mpiray tampo aminy ny iray amin’ireo olona telo hafa mpiray tsikombakomba aminy », hoy hatrany ny vaovao. Nosamborina avy hatrany ireto olona ireto ary nentina naverina tany amin’ny kaomisarian’i Maevatanana ho amin’ny famotorana azy ireo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici