Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray no nitranga tany Mahitsy omaly atoandro. Zaza vavy kely 7 taona monja no maty tsy tra-drano voahitsaky ny kamiao. Manoloana ny banky iray teny Mahitsy, tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany atoandro, mifanandrify amin’ny fotoana firavan’ny mpianatra no nitrangan’izany. Hatreto dia mbola tsy fantatra mazava izay tena nahatonga ny loza. Etsy ankilany, ny làlana tery ka tsy nahafehy ny fifamoivoizana ny rehetra. Fa ny fanazavana azonay hatrany no nahafantarana fa avy nianatra notsenain-dreniny izy tamin’io fotoana io. Niampita ity farany raha iny mbola nandalo iny ilay kamiao ». Tafiditra tao ambany izy ka tsy nahafantatra ny loza ahazo azy, ilay saofera rahateo efa tsy nahatazana azy intsony. Vokany : voahitsaky ny kodiarana taoriana izy ary maty tsy tra-drano. Nikoriana ny rà nameno ny arabe. Marihina fa ankizy mpianatr’i ny sekoly « La Luminence » Mahitsy ity niharam-boina ity. Efa tonga teny an-toerana nanao ny « constat » rehetra ny zandary any an-toerana. Efa nentina nanaovana fanadihadiana any amin’ny biraon’ny zandary ihany koa ilay mpamily.
Niony H.