- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMaintirano : Delegem-panjakana notafihan’ny jiolahy

Maintirano : Delegem-panjakana notafihan’ny jiolahy

Nisehoana fanakanan-dalana indray tamin’iny lalan’i Maintirano, faritra Melaky iny ny sabotsy hariva lasa teo. Delegem-panjakana iray no lasibatra tamin’izany, izay voavely hazo ka naratra mafy.  Efa mandeha ny fikarohana ireo olon-dratsy.

Môtô maromaro izy ireo niara-niainga, teo amin’ny dimy na enina teo, hoy ny fanomezam-baovao avy amin’ny zandary. Niainga avy any Maintirano, hihazo ny kaominina Bebaboky Sud, toeram-piasan’ity delegem-panjakana ity. Tsy fantatra anefa na mety hoe nifanelanelana lavitra ireto kodiaran-droa ireto ka teo no nararaotin’ireto olon-dratsy, nony tonga teo amin’ny sampanan-dalana Namoasy sy Manambao. Tetsy andanin’izay, ankevitry ny efa fantampatatr’ireo olon-dratsy ihany koa ny zavatra nentin’ity mpiasam-panjakana ity. Ity farany mantsy no avy hatrany no nodarohan’ireo olon-dratsy ny hazo teny am-pandehanana ka nianjera. Miisa telo izy ireo, raha ny voalaza izay nitondra zava-maranitra sy kibay. Naratra vokatry ny fianjerana sy ny daroka nahazo azy moa ilay lasibatra, izay voa mafy tokoa teo amin’ny lohany. Tetsy andanin’izay dia lasan’ ireo olon-dratsy ny sakaosy nisy ny entany rehetra, izay nahitàna FIB (taratasin’omby) maromaro, « cachet » sy taratasim-panjakana maro, ary vola mitentina teo amin’ny efatra hetsy ariary mahery teo. Ny môtô kosa navelan’izy ireo teo raha ny fampitam-baovao azo hatrany. Ireo namany, izay sendra nahatsikaritra ny tsy fisian’ity delege ity taoriana intsony moa no nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana ary nitondra ity naratra ity tany amin’ny tobim-pahasalamana. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ilay delege, ary efa tsy misy ahatahorana ny ainy. « Ny fikarohana sy ny fanenjehana ireo olon-dratsy kosa dia mbola mitohy. Hatreto, tsy mbola nisy tratra aloha ireo mpanafika, saingy efa mipetrapetraka avokoa ny paik’ady rehetra ary efa nampandrenesina ireo tobim-paritry ny zandary manodidina rehetra » hoy hatrany ny vaovao azo.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici