mercredi, avril 23, 2025
AccueilFaits-DiversMaire Bealalana : Nosamborina ary MD ao Mahajanga

Maire Bealalana : Nosamborina ary MD ao Mahajanga

Taorian’ny didim-pitsarana nivoaka ny andron’ny alatsinainy faha-20 janoary taona 2025 lasa teo iny, teny amin’ny Tribunal administratif Mahajanga, izay nanambara ny fahalaniany ho ben’ny tanànan’ i Bealanana, any amin’ny faritra Sofia dia efa nokarohana makasika ny fanodinkodianam-bolam-panjakana nandritra ny fotoam-piasany teo aloha ny taona 2017 no nitorian’ny ben’ny tanàna ao amin’ny vovonana Irmar, izay nandimby azy, sady nifaninana taminy, kanefa tsy lany tamin’ny fifidianana kaominaly farany teo iny. Raha ny angom-vaovao voaray hatrany dia voasambotra ihany ity farany no naiditra am-ponja eny Marofoto, any Mahajanga ny maraina faha 25 Febroary taona 2025 teo. Sazy mihatra roa taona an-trano maizina no miampy fandoavam-bola roapolo tapitrisa ariary ny didy navoakan’ny fitsarana miady amin’ny kolikoly ao Mahajanga na ( PAC) momba ny raharaha nahavoasaringotra , an’Atoa Morainjara Donit Florent, ben’ny tanàna vaovao voafidy tao amin’ny kaominina ambonivohitra Bealanana.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici