Nihaona tamin’ny mpanao gazety ny fikambanana tarihin’ny Maitre Tody Arnaud, ka nandritra izany no nilazany fa tsy maintsy hatsangana ny komity hisahana ny fanarenana an’i Toamasina. Fanambarana izay natao tao amin’ny trano fisakafoanana “chez Delin”, Cite Canada Toamasina. Araka ny fanambarana nataon’ny Maitre Tody Arnaud dia voalaza ho kapitaly ekonomoka i Toamasina, tanan-dehibe faharoa eto Madagasikara, ary misy ny seranan-tsambo goavana eto amin’ny nosy, nefa potika avokoa ny lalana ao aminy ka mitera-doza matetika. Ireo lalana falehan’ny fiara vaventy sy ny lalana falehan’ny vahoaka isan’andro no tena potika amin’izany. Ilaina maika ny fanarenana azy ireny hatramin’ny lalam-pirenena mivoaka sy miditra an’i Toamasina. Ankilan’izany, voalaza hatrany ny momba ilay fahasimban’ny Scanner hany tokana tao amin’ny hopitaly oniversitera Morafeno, izay iangaviany fiaraha-miasa amin’ny mpandraharaha sy ny orinasa mba hifanampy amin’ny fanamboarana na fanoloana izany, fa tena ilaina eto Toamasina izany, mba hisorohana ny fahasarotana sy fahafatesana amin’ireo marary mila fitarafana. Nomarihiny hatrany fa mampitandrina ny kaominina sy ny governora ny tenany amin’izay sakantsakana mety ataon’izy ireo, fa tsy tombontsoan’olon-tokana ny zavatra hatao fa an’ny daholo be vahoakan’i Toamasina. Ankoatra izany dia nampitandrina ny kaominina koa izy ireo amin’ny famarotana ny lalam-bahoaka sy tany malalaka ho an’ny vahoaka eto Toamasina, ka hampitsahatra izany ankehitriny. Voalaza ihany koa fa indroa nofidina teo anivon’ny mpanolotsain’i kaominina ny momba ny kianjaben’i Toamasina, izay natao ho kianja mitafo, saingy tsy mety vita hatramin’izao ary mitokana lava ny mpiasa ao aminy noho ny tsy fahazoam-bola matetika. Nefa ny tanjona dia saika handraisana ny lalaon’ny nosy, araka ny fantatra.
Malala Didier