- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversMalaimbandy : Ady mangatsika eo amin’ny samy olom-boafidy

Malaimbandy : Ady mangatsika eo amin’ny samy olom-boafidy

Omaly dia nisy nikasa ny hanidy ny biraon’ny ben’ny tanàna voafidy tao Malaimbady. Raha ny vaovao azo avy any an-toerana dia ny mpanolotsaina manokan’ny depiote iray izany. Voatery niditra an-tsehatra ny zandary vao nihemotra ireo olona izay manodidina ny telopolo isa. Tsy nisy taratasy avy amin’ny fitsaràna akory nanome alàlana izany famantsihana sy fanidiana ny birao izany, raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna. Io farany ihany no nilaza fa nisy fanalam-baràka nitranga dia ny filazana ampahibemaso fa ny tenany no tompon’antoka tamin’ny fakàna an-keriny izay nisesy tao an-toerana ary koa ny famarotana tranom-panjakana. Toe-javatra izay mifanohitra tanteraka amin’ny nataony, raha ny filazan’ilay olom-boafidy hitantana ny tanan’ i Malaimbandy. « Izaho aza no nitondra mpitandro ny filaminana marobe tao an-toerana mba hamerenana faran’izay haingana ny filaminana, ary izaho avokoa no niantoka ny lany rehetra. Momba ilay faharoa, fantatra ny fisian’ny fikasàna hanangom-bokatra diso tafahoatra ary tsy tiana ho lasan’ny olon-kafa mihitsy ny fanangonana izany fa ho an’ilay olom-boafidy izay manenjika ahy irery ihany. Raha nandray fanapahan-kevitra mba hanome toerana ny mpandraharaha hafa dia izao enjehina sy tadiavina hopotehina izao », raha ny fanazavan’ilay ben’ny tanàna hatrany. Ady mangatsiaka tanteraka no mitranga…

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici