Nihoron-koditra izay nahita. Nijanona hatramin’ny mpandeha taxi-brousse izay nizotra nankany Morondava raha nahita ny zava-niseho. Tànana roa mifatotra, notapahina teo ambanimbanin’ny sandry, niaraka tamin’ny lefona sy ody gasy maromaro. Izay no hitan’ny olona omaly antoandro, tao Malaimbady an-tampon-tanàna. Rehefa nohamarinina, dia nisy dahalo izay nandrava tao an-tanàna. Nisy voasambotry ny olona anefa rehefa nifanenjehana. Io no niharan’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany. Notapahin’ny olona ny tànany ary nentina nivezivezy eran’ ny tanàna, talohan’ny nametrahana azy mba ho hitan’ny rehetra teo anoloan’ny kaominina. Fitantaran’ny olona monina any an-toerana no nahafantarana fa tokantrano efatra no notsidihan’ny dahalo ka nahazoan’ireo ny firavaka sy omby. Tsy vitan’izany fa mbola nandratra ihany koa ireo nandritra ny fanafihana. Izany rehetra izany no niteraka ny hatezeran’ny olona izay tsy nisalasala ny nanao fitsaram-bahoaka. Isan’ny mirongatra amin’iny faritra iny ny asan-dahalo. Voakasik’izany koa i Miandrivazo izay nahatonga ny zanak’io toerana io izay mandranto fianarana eto Andrenivohitra, nisintona ny lakolosy mba hanairana ny manampahefana. Etsy andanin’izany, dia endrika iray isehoan’ny tsy fahatokian’ny vahoaka ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana ny fitsaram-bahoaka. Raràn’ny lalàna izany, saingy matetika dia olona marobe no indray tafiditra ho mpiray tsikombakomba tamin’ny fanatontosana an’izany ary indraindray aza dia ny iray tanàna mihitsy. Miteraka olana ho an’ny mpampihatra lalàna sy ny mpitandro ny filaminana ny fanokafana ny fanadihadiana. Saingy rehefa teratany vahiny dia tsy afa-manoatra ihany izy ireo ary manao ny fisamborana noho ny tsindry bokotra izay mety ho iraisam-pirenena. Mbola olana lehibe izay mila dinihina tanteraka ity resaka fitsaram-bahoaka ity…
D.R