Raha jerena dia nilamina ny fetin’ny faran’ny taona sy nitsenana ny taona vaovao teto Toamasina. Saingy raha tomorina akaiky dia semban-drahona ihany izany raha ny fanadiadiana natao teo anivon’ny hopitalim-panjakana sy oniversite Analakininina. Raha ny fanisana azo tao dia nisy 203 ny olona nandalo fizahana maika tao amin’ny sampan’ny hery vonjy taitra nanomboka ny 30 hatramin’ny 31 desambra 2023 sy ny 01 janoary 2024, ka ny 120 tamin’ireo no tsy maintsy nahiditra hopitaly mba hanaovana fanaraha-maso. Nihena izany raha noharina tamin’ny krismasy, satria nahatratra 136 izany. Nahatratra 18 kosa ny namoy ny ainy, antony samy hafa ny nahatonga azy, ka ny telo tamin’ny 18 io no maty teo anivon’ny hopitaly noho ny aretina, fa ny 15 kosa maty tsy nandalo toeram-pitsaboana. Raha ny fanazavana azo dia fahatapahan’ny lalan-drà sy fiakarana na fidinana diabeta tampoka no nahafaty azy ireo. Vokatry ny hamamoana diso tafahoatra kosa ny iray tamin’ireo tranga 15. Raha ny tatitry ny hopitaly be hatrany dia 12 ny ratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana mikorontana loatra. Nisy 13 kosa ireo voatsatoka antsy tamin’ny isa azo, ka ny iray tamin’ireo dia inspektera ao amin’ny polisy. Nisy koa ireo ratra vokatry ny fianjerana tamin’ny tatatra, nisy 05, ankoatra ireo olona 08 tao an-tokatranony. Ny 04 vokatry ny asa nataony. Nahita tranga fahatoranana vokatry ny hamamoana 03 ihany koa nandritra izany. Talohan’ny 29 desambra kosa, araka ny fanazavana, dia nisy olona 20 be izao tratran’ny fanapozinana ara-tsakafo. Fihinana lasopy tamin’ny toerana iray teto Toamasina no nahatonga azy. Nitohy izany ka niakatra 27 ireo voapoizina ara-tsakafo raha ny andro mialoha ny 01 janoary 2024, raha ny fanazavana hatrany. Ankaotra izany dia nahasarona mpangalatra, ka voasambotry ny polisy avy ao amin’ny CSP2 Mangarano ireo efa-dahy ny alin’ny 03 janoary teo. Ny roa lahy tamin’izany dia tratra ambidiomby nangalatra cyclo-pousse tao Antetezantona. Efa maro moa ny fitarainana voaray amin’ity halatra cyclo-pousse ity. Ireo roa farany kosa dia hetraketraka anaty tokantrano, izay niantraika ara-batana mihitsy, araka ny fanazavana azo. Efa eo am-peletanana’ny polisy ao Managaro ireto tratra ary tsy ho ela dia hiakatra fampanoavana izy efa-dahy…
Malala Didier