Kalachnikov, basy marika Baikal izay sokajiana ho basim-borona kanefa tena mahafaty olona. Samy mila alàlana ny fitazomana azy ireo ary ny kalachnikov aza moa dia tsy ho azon’ny sivily ampiasaina tanteraka satria fitaovam-piadiana natokana ho an’ny mpitandro ny filaminana. Izany rehetra izany anefa dia tonga eny am-pelan-tanan’ny jiolahy mpanao kidnapping any Alaotra. Basy efatra no saron’ny zandary niaraka tamin’ireo mpanao fakàna an-keriny nandritry ny fisamborana sy fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Aoz lazaina fa efa mifanahatsahana ny hery saingy niavaka ihany ny nianatra miady tany an-tsekoly sy ny mitazona fitaovam-piadiana fotsiny amin’izao. Lavo ny jiolahy ary nisy ny azo sambo-belona. Hatreto dia mbola fano taniana mipetraka ary tokony handehanan’ny fanadihadiana lalina ny niavian’ireo fitaovam-piadiana, indrindra ilay kalachnikov. Isan’ny olana anefa ny tsy fisian’ny laharana intsony eo amin’ilay basy. Efa nokikisana izany mba tsy hamantarana izany intsony. Mazava hoazy izany fa tsy maintsy avy any amin’ny mpitandro ny filaminana ihany no nisy nivarotra basy. Tsy dia zava-baovao rahateo izany satria hatramin’ny mpanendaka aza izao no efa mitazona basy Makarov, toa izay nitranga tany Toamasina (jereo lahatsoratra etsy ankila). Midika izany rehetra izany fa mbola miparitaka ny fitaovam-piadiana. Ny ankamaroan’ireo jiolahy izay soa ihany fa lavon’ny mpitandro ny filaminana ny maro dia nohon’ny fahasahian’ireo olon-dratsy mamaly amin’ny fampiasana basy koa. Etsy ankilan’izany, ankoatra ny basy tena izy dia betsaka koa ireo vita gasy izay vao maika miparitaka, indrindra any amin’ny tontolo ambanivohitra. Mila hamafisina ny paika hiadiana amin’ny fiparitahanan’ny fitaovam-piadiana mba hampihenana ny asan-jiolahy. Torak’izany koa ny momba ireny antsie sy zava-maranitra izay amidy saika eny amin’ny sisin-dalana aza ny ankamaroany.
D.R