- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversMampikony : Ady tao anaty bar niantsoana zandary, nisy maty

Mampikony : Ady tao anaty bar niantsoana zandary, nisy maty

Ilay mpitandro ny filaminana indray no nenjehin’ny lehilahy iray tamin’ny antsy lava rehefa niditra an-tsehatra tamin’ny fandaminana ady tao anaty toeram-pisotroana, raha araka ny fanazavan’ny sampana Serasera eo anivon’ny zandarimaria. Ny andron’ny Alarobia  teo no nitrangan’izany tao Malakialina-Mampikony. Voatery nitsoaka ilay zandary vokatry ny fikasana hifofo ny ainy ary nizotra tany amin’ny biraon’ny zandary avy hatrany izy. Tsy mbola namelan’ilay lehilahy ihany anefa, raha araka ny fampitam-baovaon’io vondron’ny mpitandro ny filaminana io ihany. Narahiny hatrany amin’izay nisy ilay zandary ary nisy aza ny tifi-danitra, dia mbola nitohy nanenjika tamin’ny antsibe ihany ilay lehilahy voakasika. Teo no voatery nampiasaina ny fitaovam-piadiana ary notifirina ilay lehilahy. Teo amin’ny sorony, hoy ny zandary, no voa ary niteraka ny fahafatesany izany noho ny fahaverezan-drà be loatra. Nanokafana fanadihadiana avy hatrany ilay raharaha, satria nisy fahafatesan’olona. Isan’ny nohenoina voalohany ilay zandary izay tsy maintsy nafindra toerana tany Antsohihy avy hatrany mba hialana amin’izay mety ho hatezeram-bahoaka tampoka. Manampahefana maro no nifandimby nidina tao an-toerana (Mampikony), isan’izany: ny kaomandin’ny borigady, ny tonia mpampanoa lalàna  ary ny lefitry ny sefo distrika. Taorian’ny fifampiresahana tamin’ny fianakaviana dia tapaka voalohany aloha ny handraisan’izy ireo an-tànana ny fikarakarana ny razana sy ny fandevenana azy. Nampanantena ny lehiben’ny zandary fa raha toa misy hadisoan’ilay olony tao anatin’ity raharaha ity, toe-javatra izay hohamarinin’ny fanadihadiana, dia tsy maintsy mampihatra ny lalàna manan-kery.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici