Hafakely ilay fomba fanerena olona hanome vola : nandefasana trakta teo amin’ny toeram-ponenany ary natao niomana izy fa hovonoina raha tsy mandoa ny voka takiana. Mitentina 6 tapitrisa ariary no notadiavin’ireo olon-dratsy. Nampandre ny pôlisy anefa ilay mpandraharaha ary natao ny vela-pandrika rehetra. Tonga teo amin’ny toerana hanomezana ny vola ny pôlisy nanao fanamiana sivily. Saingy mbola fantatr’ireo olon-dratsy ihany ka nahatonga azy ireo nandefa hafatra fohy (sms) tamin’ilay mpandraharaha. Vontoatin’izany hafatra izany ny hoe efa kely ny 6 tapitrisa ariary izay takianay aminao, satria misy olona hafa koa manakarama anay ny hamono anao ary manome 10 tapitrisa ariary, saingy izahay no nandefitra. Hafakely tanteraka ilay asan-jiolahy. Nitohy ihany ny fanadihadiana izay niafara tamin’ny nahazoana olona iray izay nandrahona sy nangataka vola mitovy tetiny aminin’ilay takian’ny jiolahy, teo aloha kely teo. Niaiky tokoa io fa tao anatin’ilay ekipa nanery hanome vola sy nandrahona ho faty. Nanoro lehilahy iray hafa izay nosamborin’ny pôlisy ny tenany. Mbola niaraka tamin’ny basy ilay olona voasambotra. Mbola misy olona roa hafa ihany koa, saingy tafaporitsaka izy ireo. Ireo hafa voasambotra kosa dia natolotra ny fampanoavana omaly ary nidoboka am-ponja noho ny fandrahonana ho faty mba hahazoana vola, fanerena olona hanome vola, fikambanan-jiolahy ary “harcèlement”.
D.R