- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversManakambahiny ambony : Laharana finday no namonoan-dRangahy ny vadiny tany anaty...

Manakambahiny ambony : Laharana finday no namonoan-dRangahy ny vadiny tany anaty hantsana

Tantara nampahalahelo no  nitranga teny Manakambahiny ambony, ao amin’ny Boriborintany II, Antananarivo-Renivohitra, ny  Zoma 4 Aogositra tokony ho tamin’ny 5 ora hariva. Renim-pianakaviana iray no namoy ny ainy rehefa nianjera tao anaty hantsana, sahabo ho 15 metatra. Araka ny fanazavan’ny vadiny tamin’ny nitrangan’ny loza, dia nisasa tongotra teo amoron’ilay tevana ny vadiny ka solifatra ary nianjera. Tsy izay anefa no marina, raha ny fanadihadiana nataon’ny Polisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy (BC1), fa adin’ny mpivady no nahatonga izao fahafatesana izao. Nahita laharana tao anatin’ny findaim-badiny ilay Rangahy ka tezitra. Ity farany izay voalaza fa mifoka rongony sy efa mpiady matetika amin’ny vadiny.  Raikitra ary ny ady ka nandositra nivoaka ny trano Ramatoa. Tratran’ilay Rangahy teo amoron’ilay hantsana izy ka tonga dia natosiny tao. Tsy fantatr’ity raim-pianakaviana ity, fa nisy mpiray vodirindrina nahita ny zava-nitranga. Ny ampintson’io no nisy nampandre ny Polisy ka nisambotra ilay nahavanon-doza, teny Manakambahiny. Efa natolotra ny fampanoavana ny 7 aogositra ny raharaha.

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici