- Publicité SW45 -
jeudi, mars 28, 2024
AccueilFaits-DiversManakambahiny : Nisy namaky ny biraon’ny Jirama

Manakambahiny : Nisy namaky ny biraon’ny Jirama

Ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy no nitranga ny fandrobàna. Saingy omaly vao tonga nametraka taratasy fitarainana teo anivon’ny polisy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny orinasa. « Nisy tokoa ny fandrobàna saingy na izahay aza dia izao vao mahalala ny momba izany, satria izay vao nahazo fampandrenesana avy amin’ny alàlan’ny taratasy fitarainana sy fampandrenesana », raha araka ny loharanom-baovao eo anivon’ny polisy. Omaly hariva, tamin’ny ora nanoratana ny lahatsoratra, ny mpanao fanadihadiana no nidina teny an-toerana ary nijery ifotony ny zava-nisy. Tsy mbola voafaritra araka izany ny mety ho zavatra very na koa ny mety ho antontan-taratasy nanjavona.  Azo heverina avokoa mantsy izany amin’ny toe-javatra toy izao. Mikirakira vola ny Jirama ary ny mpanjifa rahateo dia mbola maro ny mandoa ny saran’ny jiro sy rano amin’ny vola taratasy. An-kavitsiana ihany ny mampiasa ny fandoavana avy amin’ny alàlan’ny finday (mobilebanking) na koa ny taratasim-bola, ankoatra ny orinasa na andrim-panjakana. Amin’ny antoandro dia misy mpitandro ny filaminana miambina ny toerana, raha araka ny tsikaritry ny maro, noho ny fisian’ny vola mivezivezy. Raha alina izany no novakiana ny toerana, inona ny tena nokendrena tao?

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici