
Adin’ny mpivady no nitranga ny alin’ny zoma teo. Efa matetika miady izy roa ireo ary manahirana matetika ny fiaraha-monina noho ny tabataba sy ny fanelingelenana. Manofa trano eo Manakambahiny izy mivady ary ao ambony ny tompon-trano. Raha noeritreretina fa fifamaliana toy ny mahazatra no nitranga dia niezaka ny tsy niditra ny olona, tampoka teo, nitsoaka tao amin’ny tompon-trano ilay ramatoa sy ny zanany kely ary niantso vonjy. Nilaza izy ireo fa enjehan-drangahy amin’ny antsy ary tadiaviny hovonoina. Niantra azy ny tompon-trano ary nampiditra azy mianaka tao aminy. Taoriana kely anefa, afo sy setroka be no hitan’ireo. Teo vao taitra ary nivoaka namonjy aina. Ny zava-nisy dia tezitra ilay rangahy ary nararany teo ambony kidoro ny toaka gasy 10 litatra. Nampirehetiny avy eo ary nirehitra tanteraka ny trano. May koa ny efitrano nisy ireo mpanofa hafa. Tsy vitan’izany aza fa mbola niitatra teo amin’ny trano manodidina ny afo ary nitera-doza koa. Olona efatra no naratra ary trano telo izany no kila forehitra noho ny adin’ny mpivady. Soa fa voasambotry ny polisy iny alina iny ihany ilay rangahy nahavanon-doza. Tezitra taminy ny olona ary saika natao fitsaram-bahoaka raha tsy tonga haingana ny polisy. Kivy ary latsa-dranomaso ny tompon-trano satria may tanteraka ny tranon-drazana ary sarotra amin’izy ireo ny hanarina izany noho ny hoenti-manana tsy misy.
D.R




