- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversManakambahiny : Saofera tezitra dia namono tena

Manakambahiny : Saofera tezitra dia namono tena

Nifamaly tamin’ny vadiny niray fiara taminy izy. Tezitra mafy vokatr’izany ary nanapa-kevitra ny namoy fo. Saingy talohan’izay dia nasainy nivoaka aloha ny vady aman-janany. Vao vita izany dia nentiny faran’izay mafy ny fiara ary nadonany tamin’ny fefin’olona mba hamonoany ny tenany. Ny alin’ny alatsinainy teo no nitranga izany, tetsy Manakambahiny, tsy mifanalavitra amin’ny toeram-pivarotan-tsolika. Tsy tratra ny tanjon’ilay rangahy saingy ny fahavoazana kosa no navesatra. Tapaka ny tanany iray, potika tanteraka niforitra roa ny fiara ary rava ihany koa ny tamboho nodomin’izany. Omaly tontolo dia voatery nidina teny an-toerana ny tompon’andraikitry ny orinasa niasan’ity saofera ity. Ankoatra ny fijerena ifotony ny fahasimbana dia nifampiraharaha tamin’ny tompon’ny tamboho potika koa ny tenany. Rehefa nanontaniana ny mpamily dia namboraka ny marina ihany ary nanazava fa tsy lozam-pifamoivoizana tsotra no nitranga fa nikasa ny hamono tena izy. Fa angaha tsy nisy fomba hafa nentina namoy fo ankoatra ny fanimbàna fananan’olona, hoy ny olona sasany sady nanatsafa no nanontany.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici