Naiditra am-ponja vonjimaika ny lehiben’ny fananan-tany ao Manakara. Ity farany izay voasaringotra tamin’ny raharaha kolikoly tamin’ny fanomezana tanin’olona tsy ara-dalàna taorian’ny fanadihadian’ny Bianco tao Fianarantsoa, ny tenany. Raha ny fantatra, dia olona valo hafa mpiray tsikombakomba taminy, izay niara-voarohirohy tamin’ity lehiben’ny fananan-tany ity no niakatra fitsarana, ny herinandro iny. Amin’izao fandraisan’ andraikitra sy fahasahian’ny Bianco amin’ny fanjonoana ireo trondro vaventy mpanao kolikoly mpambotry firenena izao, dia faly ny mponina any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany ianjadian’ny tsindry hazolena amin’ny ezaka tsy mikoso-maso ataon’ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly, hoy ny tati-baovao.
Eric Manitrisa