- Publicité SW45 -
jeudi, avril 18, 2024
AccueilFaits-DiversManakara : Telo mianaka indray maty, nihinana “veoveo”

Manakara : Telo mianaka indray maty, nihinana “veoveo”

Efa aina maro no nafoy tany an-toerana, vokatry ny fihinana ity karazan’oviala ity.

Fianakaviana iray mihitsy indray no niharan-doza noho ny fanampoizanana ara-tsakafo nahazo azy ireo, tao Manombo, fokontany Ambohimahasoa, kaominina Fenomby, distrikan’i Manakara, ny alahady teo. Noho ny fahasahiranana teo amin’ny tsy fahitàna sakafo hohanina tany an-toerana mantsy dia nihinana karazan’oviala, fantatra amin’ny anarana hoe “veoveo” ireto ankohonana ireto ka narary avy hatrany taorian’izay. Telo tamin’izy ireo araka ny fampitam-baovao azo, dia ny reniny, sy ny zanany mianadahy, no namoy ny ainy avy hatrany. Mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny tobim-pahasalamana kosa ilay raim-pianakaviana sy ny zanany efatra hafa. Efa nisy ny fidinana tany an-toerana nataon’ny zandary avy tao amin’ny tobim-paritra Sahasinaka, nanao ny fanadihadiana. Ary taorian’ny fitsirihana nataon’ireo mpitsabo dia efa nomena ny fianakaviana ny razana. Marihina fa tsy vao izao no nisy fanampoizinana ara-tsakafo, vokatry ny fihinanana ity karazan’oviala ity tany amin’iny distrika iny sy ny manodidina. Fahapoizinana, izay matetika miafara tamin’ny fahafatesana foana raha tsy voavonjy haingana ary nandringana fianakaviana maro mihitsy. Ny volana aprily lasa teo, taorian’ny fandalovan’ireo rivo-doza roa nifanesy no tena nirongatra ny fihinanana ity oviala mitera-doza ity, noho ny tsy fahitàna sakafo hohanina intsony. Nampitondra taikatra mafy ny rivo-doza. Tsy afa-manoatra anefa ireo mponina satria ny vatana tsy maintsy mihinana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici