Tovolahy iray 25 taona eo, malaza ratsy amin’ny halatra, ary tsy mety fay mihitsy amin’ny asa ratsy ataony, na dia efa nigadra in-telo noho ny hala-botry, no niharan’ny hatezeram-bahoaka tany Amboanjo Distrikan’i Manakara, ny asabotsy antoandro teo. Araka ny tati-baovao voaray, dia tra-tehaka nangalatra dokotra roa ity tovolahy ity, afak’omaly io, ka noborin’ny olona tamin’ny antsy maranitra ny tanany havanana, satria leom-boananana amin’ny asa ratsy ataony foana ny mponina. Raha vao voasambotra ity tovolahy faingan-tanana ity, dia saika hovonoin’ny Fokonolona tetehina tamin’ny antsy sy famaky, kanefa nandrara ny hanaovana izany fihetsika izany ny olom-be teo an-tanàna. Raha ny vaovao voaray hatrany, ny harivan’ny zoma teo, dia sarona nangalatra mangahazo teny an-tsaha ity tovolahy mikarama niandry omby voaroaka ity, kanefa mbola nihantra azy ny tompom-boly rehefa nitalaho mafy izy fa tsy hamerin-keloka intsony. Ny ampitso antoandron’io ihany anefa, dia tratra ambodiomby nangalatra vorona ny tenany, ka niharan’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany, ary saika nanaraka hatramin’ny ain-dehibeny mihitsy raha nisy kely. Noho ny ratra sy ny fahaverezan-drà dia mbola miady amin’ny fahafatesana ity tovolahy ity amin’izao.
Eric Manitrisa