Patiraona omby iray, voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny famonoana nahafaty manamboninahitra miaramila iray, Lietnà Ramasy Marcel, namita iraka tany amin’iny faritra Miandrivazo iny, no nadoboka am-ponja vonjimaika tany an-toerana. Roa taona taty aoriana tokoa dia nisy akony indray ity raharaha ity. Araka ny fantatra mantsy dia ny zoma teo no niakatra fitsaràna izany. Tsy mbola nisy anefa didy nivoaka fa voatery nahemotra ny zoma ho avy izao indray ny raharaha, noho ny antony tsy fantatra ho ireo olona manaraka akaiky ilay raharaha. Mandra-piandry izany anefa dia nampidirina am-ponja vonjimaika ilay rangahy mpandraharaha voarohirohy tamin’izany.
Kolikoly avolenta. Raha tsihavina kely ny raharaha, ny taona 2017 dia manamboninahitra miaramila iray no maty nisy namono tao Miandrivazo, nanoloana mihitsy ny tobina mpitandro filaminana tany an-toerana. Notontana vato ny lohany rehefa avy nifanenjehana eran’ny tanana. Nambara teo fa hoe fitsaràm-bahoaka no nihatra tamin’ity mpitandro filaminana ity. Nanizingizina ny mifanohitra amin’izany anefa ireo olona manaraka akaiky ity raharaha ity fa hoe vono olona niniana natao ilay izy ary voatondro ho tompon’antoka tamin’izany ilay patiraona omby. Ity farany moa izay voalaza sy fanta-daza loatra any an-toerana fa toa hoe olona « lava tànana » sy « tsy hay kitihana » ary mahavita « mampihorohoro » na « mamono mahafaty » izay olona manelingelina azy mihitsy. Manahy araka izany ireo mponina sy ireo olona manaraka akaiky ity raharaha ity any an-toerana fa mety ho mafompofona kolikoly avo lenta ny ao ambadik’ilay fitsaràna azy « Eny fa na dia ny anton’ny fanemorana ilay fotoam-pitsaràna fotsiny ihany aza. Indrindra moa fa hoe ny taona 2018, raha niakatra fanadihadiana lalina ny raharaha dia nadoboka am-ponja vonjimaika ny lehilahy, kanefa ora vitsy taorian’io dia nivadika ho fahafahana vonjimaika indray » hoy ny fanamarihana ireo olona. Koa miantso ny fitondram-panjakàna sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny araka izany ireto mponina sy ireto olona manodidina ny maty ireto, mba hijery akaiky ity raharaha ity. « Mba tsy hisy tsy maty manota intsony eto fa samy hibaby ny vokatra nataony avokoa izay nanao ratsy » hoy ny firarian’izy ireo.
Nangonin’i m.L