- Publicité -
AccueilFaits-DiversMananana-Avaratra : Halatra lavanily, tovolahy 30 taona matin’ny fitsaram-bahoaka

Mananana-Avaratra : Halatra lavanily, tovolahy 30 taona matin’ny fitsaram-bahoaka

MPANGALATRAMirongatra ary efa mahakivy sy mahatezitra ireo tantsaha mpamboly lavanilina ao Analanjirofo ny zava-misy amin’ny fangalarana ny vokatra an-tsaha ankehitriny. Ny Ao Mananara Avaratra izay tena mpamokatra azy ity no tena tsy voafehin’ny mpitandro ny filaminana intsony izany.

Ny faran’ny herinandro teo, noho ny ezaka ataon’ireo tantsaha nitambatra miambina ny fambolena lavanilina ataon’izy ireo, izay tena miditra amin’ny fotoana mampatoy azy tanteraka ankehitriny, dia nahatratra tovolahy 30 taona teo am-pangalarana lavanilina an-tsaha ireo tantsaha. Nilanja 25kgs eo ity lavanilina tratra teny amin’ity jiolahin-davanilina ity izao. Noho ny hatezerana be loatra tamin’izy ireo vokatry ny firongatry ny halatra, fa betsaka izy ireo no very lavanilina, dia fitsaram-bahoaka avy hatrany no nataon’izy ireo tamin’ity tovolahy ity. Nomarihan’ireo tantsaha tafaresaka tamin’ny mpanao gazety tamin’ny alalan’ny antso finday, fa efa tsy matoky “fanjakana” intsony izy ireo amin’ny fiarovana ny fananany, ka tsy maintsy izao fitsaram-bahoaka izao no entin’izy ireo manafay ireo mbola mikasa hanao izao halatra lavanilina mirongatra be izao. Tsy maty avy hatrany anefa ity tovolahy tratra nangalatra lavanilina ity fa mbola tonga teny amin’ny hopitalin’i Mananara Avaratra ihany, saingy noho ny daroka sy ny vono ary ny fahaverezan-drà be loatra nahazo azy, dia tsy tana ny aina.

Ankoatra izay dia nomarihan’ireo mpamboly lavanilina ireo fa mitily fotsiny ireo lavanilina tiany hangalarina ireo jiolahin-davanilina ireo ny andro mazava. Rehefa tonga ny alina dia mora amin’izy ireo ny mioty ireo efa ngeza sy efa matoy amin’ireo lavanilina ; ka izay no manasarotra ny fanenjehana azy ireo ary mahatonga ny vahoaka tezitra mamono avy hatrany raha misy olona tratra toy izao.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
355,680FansAimer
2,515AbonnésSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

Poule A

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici