Nirongatra tampoka indray ity resaka fitsaram-bahoaka ity tato ho ato izay. Ankoatra ny tany Fenoarivo Atsinanana sy Andapa, dia saika nisehoan’izany ihany koa tany amin’iny distrikan’i Mananara Avaratra iny. Soa ihany fa nanaiky ny fandaminana nataon’ireo zandary ireo fokonolona.
Ny alakamisy antoandro teo no nisehoan’ity tranga ity tao amin’ny Vohitralagnana, ao amin’ny kaominina Imorona. Lehilahy iray voalaza fa dokotera sandoka no tra-tehaky ny olona tamin’io fotoana io. Raha ny fampitam-baovao azo dia avy any Fenoarivo any ity lehilahy ity no tonga tao amin’io fokontany io. Malaza ho mahay manasitrana aretina rehetra ny lehilahy ary efa nitaky vola tamin’ireo fokonolona tao an-toerana. Araka ny filazan’ny Sefo fokontany tany an-toerana, tonga nampilaza ny zandary dia efa mitentina eo amin’ny 20 tapitrisa ariary teo ho eo no lasan’ity mpisandoka amin’ny resaka fitsaboana ity tao amin’ireo mponina.
Rehefa tra-tehaky ny rehetra amin’izay ny fisolokiana goavana nataon’ity olona ity dia tezitra ny olona ary nisambotra azy tsy tam-pisalasalana. Efa vory avokoa ireo mponina ary nananontanona an’Ingahirainy ny fahafatesana. Vonona tanteraka ny hamono azy mantsy ireo mponina raha toa ka hoe tsy voaverin’ilay mpisoloky ny vola nalainy. Taorian’ny filazàna nataon’ity sefo fokontany tamin’ireo zandary dia tonga haingana tany an-toerana ireto farany. Niditra an-tsehatra avy hatrany ireo tompon’andraikitra ary niezaka nifampiraharaha tamin’ireo fokonolona. Taorian’ny fandaminana ireto fokonolona romotry ny hatezerana dia nanaiky ny fandaminana ihany izy rehetra. Tapaka tamin’izany fa hatolotra ny zandary ity mpisoloky ity ary efa natao andrimaso any amin’ny biraon’izy ireo. Misokatra ny fanadihadiana.
m.L