- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMananara avaratra - Fitsaram-bahoaka : iray maty, tafatsoaka ny roa

Mananara avaratra – Fitsaram-bahoaka : iray maty, tafatsoaka ny roa

Tato ho ato, dia tena nahazo vahana ao amin’ny kaominina sy ny distrikan’i Mananara avaratra ity “fitsaram-bahoaka” ity, eo anivon’ny fiarahamonina. Taorian’ilay raharaha mpiasa an-trano nodarohan’ny mpampiasa azy ka maty, nefa ireo mpiara-monina tsy nanaiky izany indray no notorian’ilay mpampiasa teny amin’ny zandary, izay nahafaty olona am-polony noho ny tifitra vary raraka nataon’ny zandary tamin’ny kalaky teny an-tananany; dia nitrangan’ izany “fitsaram-bahoaka” izany indray tany an-toerana ny alarobia 9 may lasa teo. Raha ny angom-baovao natao avy tany Mananara avaratra, dia mpanamory lakana iray ity nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana ity. Vao nahare ity vono olona ity ny fianakavin’ilay tompon-dakana, dia nikaroka  ny havany ka hita ny alarobia io ihany ity rangahy mpanamory lakana ity, ka araka ny porofo nataon’ny mpitsabo nijery sy nanao fanadihadiana ny razana no nahafantaran’ny fianakaviany fa vono sy ratra no nahafaty azy. Tsy nitory ireto fianakaviana ireto fa nandray an-tànana ny fikarohana ny namono ny havany izay nambaran’izy ireo, fa noho  fialonana; ka nisy olona telo avy hatrany nipetrahan’ny ahiahin’izy ireo tamin’izany. Ny sabotsy teo vokatr’izany dia hitan’izy ireo ny iray tamin’ireto olona telo nahiahian’izy ireo, tovolahy tokony ho 35 taona mponina ao Mananara avaratra ihany, koa avy hatrany dia niharan’ny fitsaram-bahoaka raha nentin’izy ireo teny amoron-dranomasin’Ambitsika nofatorana izy nandritra izany. Nahalala sy nahita tsara ny fandehan-javatra rehetra ny zandary ao Mananara avaratra, nefa tsy sahy nandray ny fepetra noho izy ireo mbola mitandrina mafy taorian’ilay tifitra vary raraka nahafaty olona am-polony farany teo. Talohan’ny nahafaty ity tovolahy ity, dia nanondro ireo namany roa lahy izy, saingy raha nikaroka izany ireto fianakavian’ilay mpanamory lakana, dia tafaporitsaka izy roa lahy ireto, koa mbola mitohy ny fikarohana.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici