- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversMananara Avaratra : Kapitenin-tsambo hita faty, nitarika fitsaram-bahoaka, olona iray maty

Mananara Avaratra : Kapitenin-tsambo hita faty, nitarika fitsaram-bahoaka, olona iray maty

Ny faran’ny herinandro teo dia kapitenin-tsambo iray no hita faty, natsingevan’ny reniranon’i Mananara, tokony ho iray kilaometatra eo miala ny seranan-tsambon’i Mananara Avaratra. Rehefa tonga teny an-toerana ireo mpitsabo nitsirika ny razana dia hita fa feno rà ny razana ary nisy faritra naratra teo amin’ny lohany, izay toy ny hoe novonoina. Rehefa naheno izany ny fianakavian’ity kapitenin-tsambo ity sy ny mponina dia nitarika olona hamono ireo tatsambo sasany sy ireo mpandeha tao anatin’ity sambo. Vokany iray tamin’ireo tatsambo io no maty, nisy ireo naratra ary nisy ireo nitsoaka.

Araka ny tatitra azo tamin’ny zandary tany an-toerana dia filazana avy amin’ny Apmf no azon’izy ireo mahakasika ny fahafatesan’ity kapitenin-tsambo ity. Sambo izay nitondra mpitondra entana ary mpandeha efatra sy tatsambo telo, niala tao Mananara Avaratra ary ho any Vinanivao, Cap Masoala. Araka ny voalaza dia vokatry ny fifindran’ny hafainganam-pandeha teny an-dranomasina teny dia nipitika ary latsaka an-drano ity kapiteny ity. Dobo rano ary tsy hita. Ora maromaro anefa dia hita ny fatin’ilay kapiteny izay hitan’ireo mponina fa nisy ratra. Antony nampitroatra avy hatrany ireto farany fa hoe novonoina avy eo natsipy an-drano ny vatana mangatsiakany. Raikitra teo ny savahao nataon’ireo mponina an’ireo olona rehetra teny ambony sambo, ka nitarika ireo fitsarambahoaka io. Nisy avy hatrany moa ny fivoriana maika nataon’ireo tompon’andraikitra tany an-toerana, nentina nandraisana fepetra nandaminana ireo fokonolona sy ny havan’ny maty. Mbola mitohy araka izany ny fampandriana tany sy fisafoana amin’ny alina any an-toerana. Nisy tamin’ireo nitsoaka ihany koa no mbola tsy hita hatreto.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici