- Publicité SW45 -
dimanche, mai 12, 2024
AccueilFaits-DiversMananara Avaratra : Mpianatra valo indray nihetsika ambalavelona

Mananara Avaratra : Mpianatra valo indray nihetsika ambalavelona

Nisy trangan’aretina Ambalavelona tao amin’ny sekoly tsy miankina iray ao Antanambaobe, fokontany sy kaominina ambanivohitra io ihany, distrikan’ Mananara Avaratra, ka ny alatsinainy teo no nivory ny mpitandro filaminana, niarahana tamin’ny lehiben’ny faripiadidiam-pampianarana Mananara Avaratra. Teo am-pivoriana anefa dia nahazo antso tamin’ny alalan’ny finday avy tamin-dramatoa Oclave Marionnette, talen’ny sekoly tsy miankina MAMAFISOA ao Antanambaobe ny OMC fa nandritra ny fivorivoriana nampiakatra ny sainam-pirenena Malagasy ny ny alatsinainy teo tokony tamin’ny 7 ora maraina dia nihetsehan’ny aretina indray ny mpianatra miisa valo tamin’ireo efa voany taloha. Nandray fanapahan-kevitra ny OMC fa hidina any Antanambaobe ny mpikambana, sy ny lehiben’ny faripiadidiam-pampianarana Mananara Avaratra. Mety hiroso amin’ny fanakatonana vonjimaika ny sekoly aorian’ny fahavitan’ny fanadinana amin’ny zoma izao, sy aorian’ny fifampidinihana eo amin’ny Ray aman-drenin’ny mpianatra any an-toerana. Ity trangana ambalavelona amin’ny mpianatra ity izay efa nahazo vahana tany amin’ny taona 2014 tany. Anisan’ny nahitana izany betsaka tany Manakara sy tamin’ny faritra hafa toa ny tany Miandrivazo, ka nisamborana mpitarika antokom-pivavahana iray. Trangan’aretina hafahafa mety mifandray amin’ny raharaham-pirenena mafampana?

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici