
Tao amin’ilay tanana atao hoe Antanambao, kaominina ambonivohitra Mananara Avaratra, tokony tamin’ny iray ora maraina, no nitrangan’ilay adin’ny mpivady niafara tamin’ny vono olona, nataona raim-pianakavina tamin’ny vadiny. Nahatsiravina ilay faty olona nandritra izany, satria notetehan’ilay vadiny antsy ilay ramatoa vadiny nandritra izay ka tsy avotra intsony ainy. Nisy nahare ny antso vonjy nataon’ilay ramatoa nandritra izany, ka tonga ireo mpifanila vody rindrina taminy namonjy sy nitinga azy teny amin’ny teoram-pitsaboana, fa noho ireo dian’antsy maro loatra dia tsy avotra ny ainy, noho ny fahaveren-drà be loatra. Na niezaka nandositra aza ilay rangahy vadiny dia voasambotry ny polisim-pirenena Mananara avaratra ihany, tokony tamin’ny 10 ora maraina, tsy lavitra ny fokontany misy azy ireo, vokatry ny fahazoam-baovao tamin’ny olonatsara sitra-po. Voatifitra izy nandritra ny fisamborana azy ity noho izy nitsoaka nandritra ny fisamborana na efa nasaina nijanona aza. Tsy tana koa moa ny ain’ny voatifitra rehefa tonga teny amin’ny toeram-pitsaboana, raha ny fanazavan’ny polisim-pirenena Mananara avaratra. Mitsahatra hatreo izany ny raharaha noho izy mivady niady niafara tamin’ny vono olona samy maty avokoa ankehitriny.
Malala Didier





