- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversMananara Avaratra : Rangahy 50 taona tratra nanao firaisana tamin’ny akoho vavy

Mananara Avaratra : Rangahy 50 taona tratra nanao firaisana tamin’ny akoho vavy

Raha hitan’olona marina ity tranga nisy sy niseho tao amin’ny kaominin’i Mananara Avaratra ny faran’ny herinandro teo ity. Rangahy be efa manan-janaka sy manan-jafy no tratran’ny olona nanolanana ny akoho vaviny; ilay tovolahy nahatratra azy indray no nenjehiny tamin’ny antsy eran’ny tanana, ka izy indray avy eo no nampandre ny fokonolona ary ireto farany no niantso ny mpitandro ny filaminana nijery akaiky ny raharaha. Tsy nanda ny firaisana ara-nofo nataony tamin’ilay akohony ity rangahy be 50 taona ity, saingy niezaka ny niaro tena tamin’ny filazana fa zony ny manao izany amin’ny fananany. Niteraka fahafam-baraka goavana ireo zanany sy ny zafiny izao zava-misy izao, nefa nilaza ny polisy ao Mananara avaratra fa heloka tsy azon’ny lalana ekena ny fanaovana firaisana ara-nofo amin’ny biby sy imasom-bahoaka toy izao, amin’izay mbola misy fandrahonana olona ho faty. Voalazan’ny polisy fa “simba” tanteraka ilay akoho vavy niharan’ilay firaisana ara-nofony; hiakatra fitsarana ao Maroantsetra ilay rangahy amin’ity herinandro ity, ho hita eo ny tohin’ny raharaha.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici