- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversMananara avaratra : Rangahy tsy nahazaka nisaraham-bady, nisoloky vola 16 tapitrisa hamerenana...

Mananara avaratra : Rangahy tsy nahazaka nisaraham-bady, nisoloky vola 16 tapitrisa hamerenana azy

Ity tokoa tonga amin’ilay fiteny hoe “mahery ny fitia” aminy, noho ny tsy fahazakana araka ny sangisangin-jatovo hoe “tsy mahazaka solo”. Raha ny fanazavana azo teo anivon’ny mpitandro ny filaminana misahana ny raharaha, dia niseho tao amin’ny fokontany Vatolava kaominina Sandrakatsy distrikan’i Mananara Avaratra ny tranga hafa kely niseho ny volana jolay teo.

Rangahy iray 41 taona manao asa fanamboaran-trano nilaozam-badiny noho ny ady teo amin’izy roa. Tsy nahazaka ny irery tao an-trano anefa rangahy, dia nieritreritra ny hamerina am-badiny, ka teo no nitsiry ny hevitra hafahafa tao an-tsainy. Ny 31 jolay dia nanatona mpandraharaha lavanilina iray tany an-toerana ny tenany, ary niteny tamin’ity mpandraharaha ity fa mahita lavanilina tsara azo vidina ny tenany. Samy olona iray fokontany sy nifankafantatra ihany, dia tsy nisalasala ilay mpandraharaha nanome azy vola 16.500.000 ariary ho vidin’izany lavanilina nambarany fa hitany izany, fotoam-piotazana lavanilina raha teo any an-toerana ny volana jolay io ary betsaka ny mpifaninana ho an’ireo mpandraharaha ka misy hatrany ny fampiasana mpanera amin’ny fitadiavana ny vokatra tsara any amin’ireo tantsaha any anaty fokontany samy hafa.

Tsy hita anefa ilay rangahy raha nahazo ny vola ka ny 4 aogositra lasa teo, dia nametraka fitoriana noho ny fisolokiana sy fivadiham-pitokisana natao azy ilay mpandraharaha voafitaka. Vokany raha nanao fikarohana ny polisy misahana ny heloka be vava eto Toamasina, dia tratra tao an-tranon’ny vadiny izay nitsoaka azy ilay rangahy ny 9 aogositra teo. Raha natao anefa ny fisavana ny tranon’izy ireo sy ny fakana am-bavany azy, dia tsy nividianany lavanilina ilay vola be fa nividianany entana toy: ny vata fampangatsiahana, fahitalavitra fisaka, fandriana spaonjy, fanamafisam-peo… ary fanitso. Ny antony dia ireo no fomba nanambazany ny vadiny hiverina aminy, taorian’ny fisarahana.

Mbola tratra tao amin’ity rangahy ity koa anefa ny ambim-bola 8.000.000 ariary. Niaiky ny heloka vitany na mbola fakana am-bavany aza no nataon’ny polisy taminy. Hatolotra ny Fitsarana anio ny raharaha.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici