- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMananara Avaratra : Sady mpangalatra môtô no mpanaparitaka vola sandoka

Mananara Avaratra : Sady mpangalatra môtô no mpanaparitaka vola sandoka

Tsy eto an-drenivohitra tsy any amin’ny faritra fa dia manjaka izay tsy izy ity resaka halatra môtô ity. Ny herinandro lasa teo tokoa mantsy dia telo lahy voarohirohy ho mpangalatra môtô no nosamborin’ny pôlisy tao an-tampon-tananan’i Mananara Avaratra tao. Tsy vitan’izay anefa fa mbola nahitàna vola sandoka, ravim-bola roa alina ariary am-polony maro tao amin’izy ireo.

Mazàna tokoa dia efa tambajotra iray goavana be mihitsy no indray miara-miasa amin’ny ratsy ao anatin’ity resaka fangalarana môtô ity. Mahavaka ny saina ihany mantsy indraindray ny hoe ao anatin’ny andro vitsy monja dia mety ho efa miova endrika, miova toerana ary mety efa eny am-pelatanan’olon-kafa, saingy tsy fantatra intsony, izany kodiaran-droa very izany. Raha ity tao Mananara Avaratra ity tokoa mantsy izao dia very ny heriny talata teo, tao amin’ny hôtely iray ilay môtô. Taorian’ny fanadihadiana sy ny fikarohana nataon’ireo pôlisy tao an-toerana dia voamarika sy fantatra ireo olona tompon’antoka tamin’izany. Telolahy izy ireo, ary nosamborina tao an-tranony tao Antetezambe, Mananara Avaratra hatrany. Tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo pôlisy anefa, hoy ny fampitam-baovao azo, dia efa tsy tratra tao amin’izy ireo intsony izany fitaovana izany. Niaiky anefa ry zalahy ireto fa tena izy ireo no nangalatra izany môtô izany, saingy efa lafony tamin’ny olona ilay kodiaran-droa. Ankevitry ny efa olon-dratsy, ao anatin’izay tambajotra mihitsy izy ireto ary tsy mionona fotsiny amin’izay halatra môtô izay. « Mbola mpanaparitaka vola sandoka ihany », hoy hatrany ny vaovao azo. Araka izany, halatra sy fanaparitahana vola sandoka no anenjehana azy ireo. Notazomina natao andrimaso avy hatrany tao amin’ny kaomisarian’ny pôlisy ao an-toerana moa ry zalahy ireto ary mbola mitohy ny famotorana. Miaraka amin’ny fikarohana izay olona nividy izany fitaovana halatra izany indray.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici